Nitelina zazalahy kely iray vao 10 taona monja indray ny ranon’Ikopa ny Zoma 20 Desambra lasa teo.
Raha araka ny fantatra dia ankizy nilomano io namoy ny ainy io. Niisa 10 izy ireo no nanararaotra ny hafanan’ny andro kinanjo latsaka tampoka tany anaty lava-pofotra ny iray. Mbola afaka niantso vonjy sy nisarangotra ihany izy io raha araka ny fitantaran’ireo namany. Rehefa hitan’ny sasany anefa fa nihanavesatra izy dia navotsotr’izy ireo hany ka nafoiny hatramin’ny ainy. Taorian’izay vao niakanjo ireo namany nampandre ny fianakaviana. Efa vatana mangatsiaka sisa no novantanin’ireto farany tamin’izany. Raha ny fantatra moa dia efa kamboty Ray io zaza io. Afak’omaly no nalevina ny razana. Tsiahivina fa ambohim-pihaonan’ireo ankizy madinika eny amin’iny faritr’Ampasika sy Itaosy ary Andohatapenaka iny ny fotoana mampahafana ny andro tahaka izao mba hilomanosana ao amin’ny ranon’Ikopa. Miisa 5 izy ireo raha kely no miaraka ka misy mahavita misaoty avy eny ambony tetezana mihitsy ny sasany mankany anaty rano mba hampisehoana ny fahaiza-manaony. Tokony ho mailo isika Ray aman-dReny manoloana izany. Tsy mahalany rano iray zinga akory mantsy ny ankizy iray dia mamoy ny ainy raha sanatria ka lasa any anaty lava-pofotra tahaka izao.
Pati
Legende : Maka olona hatrany ny ranon’Ikopa !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.