RANON’IKOPA

Nitelina lehilahy iray indray


  • Alarobia 26 Febroary 2025

Nitelina olona indray ny ranon’Ikopa. Lehilahy iray nikasa hisaika teo Anosipatrana omaly

maraina tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any no nisolifatra ka namoy ny ainy avy hatrany. Raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia 60 taona io lehilahy io. Niaraka tamin’ny namany miisa 2 izy nandritra izany. Ny lohany no nosasany voalohany. Rehefa avy niondrika anefa Itompokolahy dia tombanana ho fanina ka nianjera tany anaty rano avy hatrany. Efa teny afovoany izy vao nihiaka niantso vonjeo hoy ireo namany saingy indrisy… Saika natahotra ny ranon’Ikopa rahateo izay rehefa nahita izany teny an-toerana. Sady nandeha mafy mantsy ity renirano ity no toy ny misy hery misintona mahafanina noravahin’ny lokony manompy mavo mena. Voatery nantsoina ny sampana mpamonjy voina vokatr’izany. Naharitra ora maromaro ireto farany nitady ny razana vao hita. Nampiasaina avokoa ireo karazam-pitaovana toy ny tady, ny fisitrihina tany anaty rano lalina….Nambaran’ireo mponina eny an-toerana moa fa efa maka olona hatrany ny ranon’Ikopa rehefa vanim-potoana tahaka izao ka tokony samy hitandrina ny tsirairay, indrindra fa ho an’ireo vahiny tsy mahalala.
Pati
Legende : Nifampitadiavana mafy tahaka izao ny razana vao hita !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT