RANON’IKOPA

Nitelina lehilahy 2 tao anatin’ny indray andro


  • Talata 09 Jolay 2024

Naka olona indray ny ranon’Ikopa mandalo etsy Tanjombato.

Lehilahy miisa 2 be indray no indray nateliny afak’omaly Alahady 08 Jolay. Omaly Alatsinainy 08 Jolay maraina vao hita ny razana iray vokatry ny ezaky ny sampana mpamonjy voina raha toa ka efa hita tamin’ny Alahady 08 Jolay teo kosa ny iray. Raha nambaran'ireo nanatri-maso dia nanavotra olona nilatsaka tao anaty rano omaly folakandro ity farany saingy voasintona ihany samy latsaka izy roalahy ary samy nanjavona. Nomarihin’ireo mponina eny an-toerana moa fa maka olona indray mandeha isaky ny roa volana ny ranon’Ikopa mandalo eny Tanjombato raha kely. Mahalana kosa no mitelina olona roa be indray miaraka tahaka izao izy izay hinoan’izy ireo ho fambara hafahafa.
Pati
Legende : Ilay razana hita farany omaly Alatsinainy nalain’ny sampana mpamonjy voina !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT