Ranon’Ikopa

Nahitana karan-doha 4 tao anaty lamba tavoahangy


  • Alarobia 13 Martsa 2024

Karan-dohan’olona miisa 4 nifono lamba tavoahangy no nisy nahita teny

Amoron’Ikopa, Fokontany Est Mahazoarivo, kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano omaly Talata 12 Martsa. Tovolahy iray mpanjono no nahita azy ireo ka nampandre avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny teo anivon’ny Kaomisarian'Alasora nizaha ifotony ny zava-misy. Tsy niandrasana ela moa ity tranga ity fa avy hatrany dia nalevina teny amin'ny cimetière Ambohidrazaka ireo karan-doha ireo. Raha araka ny vinavinan’ireo nanatri-maso dia mety ho razana vao avy nalaina tany amin’ny fasana nisy azy izy ireo ka tsy nilain’ireo mpanao ratsy ny karan-dohany raha nentiny kosa ireo taolan-dava. Na izany aza anefa dia ny mpitandro ny filaminana ihany no afaka tena hanamarina izany rehetra izany.
Pati
Legende : Ireto ilay karan-doha natao tao anaty lamba tavoahangy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT