Ranon'orana be teto Antananarivo

Telo mianaka no indray namoy ny ainy


  • Alatsinainy 25 Novambra 2024

Ankoatra ny fahatsentseman’ny lakan-drano teto an-drenivohitra sy ny manodidina dia namono olona miisa 3

sahady ny ora-mikija teto amintsika ny faran’ny herinandro teo. Vokatry ny firodanan’ny tamboho teo akaikin’ny tranon’izy ireo no nahatonga ny loza ka nahatonga azy 3 mianaka nihitsoka tsy afa-nivoaka tao amin’ny rihina faharoa sy fahatelo. Roalahy iraitampo 21 sy 18 taona izy ireo miaraka amin’ny Reniny. Voatery niantsoana ny sampana mpamonjy voina tetsy Tsaralalana mihitsy moa nisikotra azy 3 mianaka tao an-trano vao hita ny razana. Tonga nitsapa alahelo ny fianakaviana teny an-toerana ny PDS –n’Antananarivo Georget Alexandre mivady afak’omaly sabotsy 23 novambra notronin’ny Sekretera jeneraly eo anivon’ny Kaominina. Ho an’ilay zazalahy kely iray naratra mafy nalefa notsaboina etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha moa ka tsy maintsy mandalo fandidiana dia fantatra fa horaisin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra an-tanana avokoa ny fikarakarana azy. Hanomboka amin’ity herinandro vaovao ity ihany koa ny asa fisokirana sy fanadiovana ireo tata-drano eto an-drenivohitra raha araka ny fanazavan’ny PDS vaovao hiarovana ny mponina amin’ny tondra-drano mandritra ny fotoam-pahavaratra. Alevina anio Alatsinainy 25 Novambra moa izy 3 mianaka ireto. Entina etsy amin’ny Ekar Masindahy Joseph Mahamasina mialohan’ny hametrahana ny nofony eny amin’ny fasan-drazany eny Miadana Alasora.
Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT