Ankoatra ilay rivodoza voalohany ALICIA, dia misy andro ratsy hafa miforona indray ao amin’ny Ranomasimbe Indianina,
hoy ny Sampan-draharaha mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Tany amin’ny 2560 Km Antsinanana somary Avaratra Atsinanan’Antsiranana no misy ny foibeny omaly tamin’ny 12ora atoandro. Sokajiana ho "Dépression Tropicale" izy ary mitondra rivotra 55 Km/ora sy tafiotra 70 Km/ora. Mikisaka miantsinanana ny diany ka mahafaka 35 Km/ora. Mivoatra eo akaikin’i ALICIA ity andro ratsy ity ary ambany ny herijika hitomboany hery. Vinavinaina ho levona izy manomboka anio talata 17 Novambra 2020. Ho an’ny toetr’andro ankapobeny dia vinavinaina h𝐢𝐚𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐢𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 ny maripana ambony ho an'ny faritra maro manerana ny Nosy, rah any tombana ho an’ny anio hatramin’ny alakamisy 19 novambra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.