Ranobe tsy mety ritra etsy Andravoahangy

Simba tanteraka ny fiveloman’ireo mpivarotra


  • Alarobia 15 Janoary 2025

Efa kely sisa dia maherin’ny herintaona no nisian’ny ranobe tsy mety ritra etsy Andravoahangy ambany.

Ranobe manerana ny arabe ara-bakiteny izay teo foana na andro maina, indrindra moa fa amin’izao avy orana izao. Simba ny fiveloman’ireo mpivarotra eny an-toerana, vokatr’io, ho fanazavan’ireo mpivarotra isan-karazany manamorona ity arabe tondraky ny rano efa lasa mandava-taona ity. Milaza ho tsy mahita toerana hafa ivarotana intsony nefa ireo mpivarotra, noho ireo toerana any an-kafa efa voafandrika. Ny tsena kosa tena nidina niha tsy nandeha hatrany, hoy hatrany ny fitarainan’ireo mpivarotra. Raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny SMA na «Société mutuel d’assainissement», izay orinasa voatokana amin’ny fanadiovana an’Antananarivo kosa, dia efa mandeha ny asa fisokirana ireo lakandrano fivoahan’ny rano eny an-toerana. Ny olana, hoy ny filohan’ny delegasionina manokan’Antananarivo renivohitra, Alexandre Georget, dia feno fanorenana tsy ara-dalàna eo amin’io toerana tondraky ny rano ankehitriny io. Lavitra ezaka, hoy izy, noho izany, ny fanarenana ilaina atao raha ny mikasika ireny toerana tondraky ny rano isaky ny rotsak’orana eto Antananarivo ireny ary mila miandry ny ben’ny tanàna vaovao izay lany eo fa tsy vitan’ny resaka 2 na 3 volana ny fanarenana an’io.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT