RANO TRAMBO TANY BENENITRA

Olona 11 no namoy ny ainy, 25 hafa tsy hita


  • Alarobia 14 Febroary 2024

Nisy rano trambo nandalo tany amin’ny distrikan’i Benenitra,

afak’omaly Alatsinainy 12 Febroary raha araka ny tatitra nataon’ny Tale jeneralin’ny Birao nasionaly misahana nyh loza voajanahary ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja tamin’ny mpanao gazety omaly. Vokatr’ilay andro ratsy eto amin’ny Nosy no mahatonga izany izay notsindriany fa manomboka any amin’ny farany Atsimo ka hatrany amin’ny Avaratra Atsinanana. Olona 11 isa no fantatra fa namoy ny ainy tao Benenitra raha 25 hafa kosa no tsy hita popoka, vokatra mbola tsy ofisialy. Efa lasa any an-toerana nijery ny tena zava-misy marina moa ireo tompon’andraikitra anny amin’ny faritra Atsimo Andrefana, tarihin’ny prefet sy ny Ministeran’ny mponina. Ankoatra ny tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana moa dia lasibatra ihany koa ny faritra Analanjirofo. Tetezana iray mampitohy an’Ampasimpontsy lalana ao Fenoarivo Atsinanana sy Toamasina no tapaka vokatry ny ora-mikija tany an-toerana nanomboka ny Alatsinainy alina teo. Tokantrano maro avy amin’ny Fokontany maro ihany koa no traboina ao Fenoarivo Atsinanana miampy ny fahafatesan’ireo biby fiompy sy ny fahasimban’ireo entan’ny mponina. Miato vonjimaika ny fampianarana rehetra ao anatin'ny fari-piadidiam-pampianaran’i Fenoarivo Atsinanana vokatr’izany ho fiarovana ny ain’ny mpianatra. Miverina kosa ny fampianarana rehefa hita fa midina ny rano.
Pati
Legende : Tahaka izao no hiainan’ny mponina ao Fenoarivo Atsinanana amin’izao izay efa nampian’ny zandary !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT