RANO TRAMBO METY HANDALO ENY SISAONY

Nametrahana sambo haingam-pandeha roa eny Atsimondrano


  • Alarobia 07 Febroary 2024

Nametrahana sambo haingam-pandeha miisa roa omaly hariva teny amin’ny

distrikan’Atsimondrano taorian’ilay vaovao niely mikasika ny mety ho fiakaran’ny reniranon’i Sisaony tampoka omaly Talata 06 Janoary alina. Fepetra noraisin’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary io ka nisy mihitsy ireo tompon’andraikitra efa natory teny an-toerana alina, niampy ireo fiara hahafahana mitatitra ireo traboina. Teny Ampitatafika Atsimondrano no nametrahana ilay sambokely iray voalohany raha teny Ampanefy kosa ny iray. Toerana miisa efatra ankoatra ireo no mbola tena atahorana dia Anosizato Andrefana, Ampahitrosy ary Soavina izay samy be mponina be avokoa ary maro olona mipetraka manamorona ny reniranon’i Sisaony. Efa nantsoina ihany koa moa raha araka ny fantatra ny lehiben’ny distrikan’Atsimondrano sy ny Ben’ny tanana hahafahana mandray ny fepetra mifandraika amin’izany, notronin’ny Ministeran’ny mponina sy ny avy ao amin’ny tafika. Vonona ihany koa moa ny sampana mpamonjy voina raha misy ny ilana azy hoy hatrany ny vaovao.
Pati
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT