Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ireo asa fanadiovana maika ao Andravoahangy
noho fiverimberenan'ny olan'ny rano mihandrona izay nihombo noho ny habetsaky ny rotsak'orana sy ireo lakan-drandro tsentsina izay ahiana hitarika tondran-drano. 1km ny lakandrano mila fanadiovana maika ary misy koa ny asa fanamboarana ireo lakan-drano sasany izay efa potika tanteraka, hoy ny fanazavana. Ho tanterahina mandritra izany ny fanamboarana ny rindrin'ireo (piedroit) lakandrano efa misy, ny fanamboarana ny sarona lakankandrano miisa 9 ary ny fanadiovana ireo dalots, buses sy ireo lakandrano misokatra. Mikasika ny fanadiovana dia nanome toromarika Andriamatoa Filohan'ny Repoblika mba hanaovana asa tagnamaro na "HIMO", ho an'ireo fokonolona sahirana eny an- toerana hanampy amin'izay asa fanadiovana tokony hatao. Nankatoavin'ny Filan- kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Fanjakana Malagasy an-tanana, amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny fandaniana amin'ity asa maika tsy maintsy hatao ity. Ary rahoviana ny Fanjakana no handray an-tànana ireo fahapotehana maro raha tsy hilaza afatsy ny làlam-pirenena manerana ny Nosy ka tafiditra amin’izany ireo tanàn-dehibe maro ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.