Rano miakatra eto Antananarivo sy manodidina


  • Alarobia 19 Febroary 2025

Niverina ny fampitandremana ny amin’ny loza mitatao na fampitandremana miloko mena

ho amin'ny lemak' Antananarivo, izay mahakasika kaominina maromaro. Tafiditra amin’izany ny Kaominina Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana, Ampangabe, Masindray, Ambohimanambola. Ambohijanaka, Alasora, Ankaraobato, Tanjombato, Soavina, Anosizato Andrefana, Andranonahoatra, Bemasoandro, Ankadimanga, Ambohitrimanjaka, Ampangabe, Antananarivo IV, larinarivo, Sabotsy Namehana, Ankadikely llafy, Ambohibao Antehiroka, Talatamaty, Antananarivo VI, Jarinarivo. Ho an’ny Reniranon’i Sisaony, 1,60 m ny haavon'i teo amin'ny mari-drefin'Andramasina omaly tamin’ny 4ora tolakandro. Niakatra 0,01 m ny rano tao anatin'ny 02 ora ary miankina amin'ny toetrandro ny fizotrany mandritra ny 24 ora manaraka. 3.28 m ny haavon'i Sisaony eo amin'ny mari-drefin' Ampitatafika. Nidina 0,03 m ny rano tao anatin'ny 02 ora ary miankina amin'ny toetrandro ny fizotrany mandritra ny 24 ora manaraka. 3,50 m ny refy fampitandremana mena (loza mitatao) eo Ampitatafika. Ho an’ny Reniranon’Ikopa, 3.26 m ny haavony teo amin'ny mari-drefin' Ambohimanambola. Niakatra 0,01 m ny rano tao anatin'ny ny 02 ora ary mbola hiakatra. Ho tratra ny refy 3,50 m refy fampitandremana mavo ( loza manambana) ao anatin'ny 12 ora manaraka. 4,50 m ny refy fampitandremana mena (loza mitatao) co Ambohimanambola.3,61 m ny haavon Ikopa co amin'ny mari-drefin'i Bevomanga. Niakatra 0,03 m ny rano tao anatin'ny 02 ora ary mbola hiakatra mandritry ny 12 ora manaraka. 4,00 m ny refy fampitandremana mavo (loza manambana) eo Bevomanga. MIATO NY FAMPIANARANA HO AN’NY ANIO Nampita ny DREN Analamanga, fa noho ny mbola fisian'ny filazana loza miloko mena ho an'ny fiakaran'ny rano sy ny mety ho fitohizan'izany ho an'Antananarivo, araka ny fampitandreman'ny BNGRC sy ny tapaka teo anivon'ny " comité de vigilance" dia tsy mianatra ny mpianatra ho an'ireto CISCO voalaza ireto ny alarobia 19 febroary 2025 : CISCO Antananarivo Renivohitra, CISCO Antananarivo Atsimondrano, CISCO Antananarivo Avaradrano, CISCO Ambohidratrimo.CISCO Manjakandriana, CISCO Anjozorobe. Miverina ny fampianarana ny alakamisy 20 febroary 2025 raha tapitra ny fampitandremana mena avy amin'ny BNGRC.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT