Actualités

Ranjatohery Harilala “Mbola misy olona tsara eto.”


  • Sabotsy 02 Septambra 2017

Mikorontana ary tsy misy fitsipika ifampitondrana loatra intsony ny fiarahamonina ankehitriny, hoy ny mpanabe sady mpahay tantara, Ranjatohery Harilala.

 

 Tsy mitovy intsony ny toe-tsain’ny mpianakavy ao an-tokantrano dia mikorontana. Ny mpiray tanàna koa ahitana izany amin’ny halatra isan-karazany. Ny fitondrana manoloana ireo toa tsy afaka mandamina araka ny tokony ho izy ny toe-draharaha ary manjaka ny fanamparam-pahefana izay miteraka lonilony sy valifaty eo amin’ny fiarahamonina. Soa fa na kely karama aza ireo mpampianatra dia mbola manana fandavan-tena hikarakara ny mpianany hatrany, hoy ny tenany. Aokoatra ny Fiangonana sy ireo fikambanana mpanao asa soa isan-karazany izay manao anton-draharaha mba handamina. Midika io fa mbola misy olona tsara eto. Ny fanabeazana ihany no fototra ahafahana mitondra vahaolana amin’izao toe-draharaha izao satria hatramin’ny fanjakana misy hatramin’izay mihitsy no efa mirona betsaka amin’ny fihinanana am-bolony izay entin’ireo vahiny.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT