RANGAHY LEHIBE MPANOLANA

TAO TSIROANOMANDIDY Zazavavy kely mihoatra


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2026

ny 4 no efa noviravirainy ?

Nampidirina am-ponja vonjimaika ny faran'ny herinandro teo ilay Rangahy lehibe 73 taona mpanolana zazavavy kely any amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava. Loharanom-baovao azo no nahafantatra fa zazavavy kely mihoatra ny 4 no efa noviravirainy ka anisan'izany ilay farany teo. Mangataka ny hanasaziana mafy io Rangahy lehibe io araka izany ny mponin'i Tsiroanomandidy. Hotanterahina ny 30 Aogositra ho avy izao mantsy ny fitsarana azy io. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tao Mangarivotra Tsiroanomandidy no nisian'ilay fanolanana farany teo. Zazavavy vao 12 taona monja no lasibatra. Tany anatin'ny sahany no nanararaotany io zazavavy kely nandritra ny fotoana nanirahana ity farany naka kitay. Ny 07 Aogositra lasa teo no nanomboka narary ilay zaza saingy tsy sahy nitaraina tamin-dRay aman-dReniny. Nihombo anefa ny aretiny ka tsy maintsy nentina namonjy hopitaly tany amin' ny CHRR ilay zaza. Tany no nahafantarana fa potika tanteraka ny fivaviany. Tsy sahy nametraka fitoriana moa ny Ray aman-dRenin'ilay zaza noho ny tahotra valifaty. Mañana olana amin'ny resaka fivelomana koa izy ireo, antony nanohizan'ny mpitandro ny filaminana ny fanadihadiana.
Nangonin'i Pati


Légende : Ity ilay tsy mataho-tody mpamotika ny ho avin'ny taranaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT