RANDRIANTSOA JIMMY

Manameloka ny famonoana ny olom-boafidy tahaka azy


  • Alakamisy 27 Febroary 2025

Manameloka ny famonoana ny olom-boafidy tahaka azy amin’ny fony manontolo ny Ben’ny tananan’Alasora

Randriantsoa Jimmy. Olom-boafidy tahaka ahy Rasazy Narindra, voafidy tany amin’ny kaominina Mangataboahangy hoy izy ary na inona na inona lazaina dia vokatry ny tsy fandriampahalemana ireny, tranga izay tsy tokony hisy mihitsy. Ny fanjakana no tokony hiaro ny olom-boafidy raha ny nambarany. Tsy rariny raha Ben’ny tanana mandray ny andraikiny tahaka ireny hoy izy no hofongorona tahaka ireny ny ainy. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hiaro ny ain’ny olom-boafidy araka izany ity Ben’ny tananan’Alasora ity. Tafiditra ao anatin’izany hoy izy ny depiote sy ny mpanolon-tsaina. Izy ireny mantsy no mahita sy miara-mihosona amin’ny vahoaka eny ifotony ka mila fiarovana raha tiana handroso ny tanana. Mikasika ireo olona traboina vokatry ny fiakaran’ny rano tao Alasora moa dia fantatra fa tena niavaka ny fepetra noraisin’ny Kaominin’Alasora. Nambaran’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy fa nanaovana fidinana ifotony ireo toerana dibo-drano ka nahitana foto-drafitrasa toy ny tamboho na tata-drano tsy misokatra ohatra. Nitadiavam-bahaolana avy hatrany izay rehetra hita fa nibahana ny fivoahan’ny rano hoy ny fanazavany namoahana haingana izany tao an-tokantranon’ireo traboina.
Pati
Legende : Mila fiarovana ny olom-boafidy hoy ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy !

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT