Randrianirina Jean Ignace

«Zo fototra maha olombelona izany izao eto mampigadra sy maha voasazy»


  • Talata 19 Novambra 2024

Mandalo krizy ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny filoha miara-mitantana ny antoko politika MFM,

Randrianirina Jean Ignace na Ramasy. Asa izany na tsapan’ny fitondrana na tsia, hoy izy. Tokony ho tsapany izany satria io krizy resahiko io tsy krizy politika ihany. Ny krizy politika misy moa dia lazaina hoe ny mpanohitra no manakorontana ny firenena fa ny tena marina avy amin’ny fitondrana ny fanakorontanana ny firenena. Ny krizy ara-tsosialy dia novolena satria vokatry ny tsy fahaiza-mitantana. Ny mpitondra mahay mitantana izany mitsinjo ny 10 taona, 20 taona hoavy. Isika tsy nahavita an’izay. Io ny resaka angovo sy rano izay tena hoe iainan’ny olona an-davan’andro na amin’ny resaka fivelomana. Krizy izay! Novolena ilay izy satria natao mihitsy hoe tsy maintsy tapahana iry sy iry. Ny olona ampandoavinao vola amina resaka sarany. Tsy maintsy izay nefa tsy afa-po ny mpanjifa. Na nomena sazy miantona na mihatra ireo tsy faly tamin’ny delestazy sy tsy fisian-drano dia samy tsy mendrika ho an’ny firenena sy ny atao hoe demokrasia daholo izany. Zo fototra maha olombelona izany izao eto mampigadra sy maha voasazy. Tsy azo ekena izany na sazy miantona io na sazy mihatra. Ny ataon’ny fanjakàna dia tokony hiaro ny ain’olona sy ny fananany. Fanehoan-kevitra ilay izy. Tokony ho anjaran’ny tomponandraikitry ny filaminam-bahoaka izany no manao tan-tsoroka na hoe mi-«encadrer» zavatra ohatran’ireny tsy hihoam-pefy. Aiza ary ny olona no haneho ny hasosorany? Mankeny amin’ny 13 may izy tsy avelanao. Mankery tsy avelanao dia eny amin’ny arabe izy no maneho ny hasosorany. Ny fanakorontanana ankehitriny dia novolen’ny fitondram-panjakàna fa aza gaga isika! Tsy mahavita miala tsiny amin’ny mpanjifa amin’ny zavatra mahazo azy amin’izao fotoana izao akory tsinona. Mandalo krizy isika. Raha ny hevitro manokana, tsy fifidianana no maika fa ny famahana olana aloha. Efa niteny moa aho fa tsy nekena hoe andao jerena aloha izay handaminana ny sosialim-bahoaka! Fifidianana izany vita foana. Tsy hino aho hoe ahazo maro an’isa amin’ny kaominaly eto Antananarivo izao fitondrana izao, raha izao fahasahiranam-bahoaka izao no resahina! Rehefa tsy mahay politika moa dia izay no vokany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT