RANDRIANIRINA Elisa

« Hery sy vaindohan-draharahan’ny


  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Fanavaoazana ny vehivavy »

Teny Anosy omaly no nanatanterahana ny lanonana lehibe ho fankalazana ny Andro Iraisampirenena ho an’ny Zòn’ny Vehivavy ho an’ny teto Antananarivo. "Ny vehivavy malagasy, hery iray ho an'ny fanavaozana ny firenena", io no lohahevitra namarihana ny 8 martsa teto Madagasikara tamin'ity taona ity. Tonga nanome voninahitra ny hetsika Rtoa RANDRIANIRINA Elisa, amin’ny maha-renin’ny Malagasy azy. Nanotrona azy tamin’izany ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël sy ireo mpanolotsaina ambony avy am. Araka ny fanao isan-taona, nisy ny diabe nataon’ireo solontenan’ny vehivavy avy amin’ny sehatra maro samihafa sy avy amin’ny faritra 24. Raha ny antontan’isa, nambara fa ny 50,7%-n’ny vahoaka Malagasy dia vehivavy avokoa, ary ny ankamaroany dia miaina any ambanivohitra. Na izany aza, mbola maro ny olana sedrain’izy ireo. Mbola ny 64%-n'ny zo tokony itoviana amin'ny lehilahy no mbola sitrahan'ny vehivavy amin'izao fotoana, raha ny antontan’isan’ny vadin’ny Filoham-panjakana tao anatin’ny hafatra ofisialy. Nambarany kosa teny Anosy fa “…tsy natao ho fety fankalazana fotsiny ny andron’ny 8 martsa fa natao indrindra handinihina lalina ireo dingana efa vita sy ireo ezakambola tokony hotratrarina amin’ny fametrahana ny zon’ny Vehivavy, ny fampiharana sy ny fiarovana izany…”. Izany indrindra, hoy izy, no antony nametrahana politika sy tetikasa mifantoka amin’ny fanomezana lanja ny vehivavy, izay vaindohan-draharaha amin’izao Fanavaozana izao. Nanao antso avo ihany koa Rtoa Elisa tamin’ireo sehatra isan-karazany mba hijoro ho vahaolana sy mpanala sakana, fa tsy ho sakana amin’ny fanajàna sy fiarovana ny zon’ny vehivavy. “…Mariky ny fahamboniana ny toe-tsaina izany…”, hoy izy nanamafy. Niarahaba manokana ny vehivavy Malagasy rehetra ny Filohan’ny Fanavaozana, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, tamin’ity fotoana ity. “…Manana anjara toerana manokana amin’ny fanovàna atao amin’ity Firenena ity ianareo vehivavy…”, hoy izy nandray fitenenana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT