Actualités

Randrianatoandro Robert « Vokatry ny ota fady ny havandra milatsaka maina tsy misy orana »


  • Alatsinainy 05 Jona 2023

Tsy nisy izay tsy niaiky ny rehetra andro maromaro lasa izay fa hafahafa ireny havandrabe niraraka teto amintsika ireny.

Tafiditra tao anatin’izany ny tany amin’ny faritra izay tsy niaraka tamik’orana ny ankamaroany nefa tena nanimba ireo karazana fambolena toy ny vary…. Nambaran-dRandrianatoandro Robert, mpitazona ny hasim-piandrianan’Imerina fa vokatry ny ota fady nataon’ny mpiara-belona no nahatonga ireny. Miantso ny mba hanajana ny fomba sy ny fady mahakasika ny fiarovana ny ain’olombeloba sy ny fananany araka izany ny tenany. Tokony hohajain’ny mpiray firenena hatrany ireny karazana fady ireny hoy izy mba tsy hidiran’ny firenena anaty fahasahiranana lalina. Ankoatra izay dia mbola manaitra ny mpiara-belona ihany koa ny tenany mba tsy ho varimbariana. Mbola misy eto amintsika hatrany mantsy hoy izy ireo karazana areti-mandoza mandripaka ka tokony arahina hatrany ireo toro-marika omen’ny Fitondram-panjakana. Mbola misy ary mbola tsy foana ireny karazan’aretina ireny hoy izy indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny andro mangatsiaka izao.
Pati
Legende : Robert Randrianatoandro, mpitazona ny hasim-piandrianan’Imerina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT