Rafitra iray fototry ny fampandrosoana ny kaominina. Na dia mbola manjavozavo amin’ny mpanara-baovao tanteraka aza ny hahatanteraka na tsia ny fifidianana kaominaly amin’ity taona ity dia efa miandrandra izany ny vahoaka Malagasy. Ny fitantanana ny tanŕna izay indrindra no lohahevitra horesahantsika amin’ity anio ity. Vahinin’ny gazety Tia Tanindrazana amin’izany ny ben’ny am-perinasa ao amin’ny kaominina Antehiroka Randrianarison Patricia. Resadresaka.
Tia Tanindrazana (TT) : Ny taona 2007 no nanomboka nitantananao ny kaominina Antehiroka, inona no azonao ambara mikasika ny asa fampandrosoana nandritra izay 7 taona izay ?
Randrianarison Patricia (RP) : Raha ny eto amin’ny tanànan’Antehiroka manokana aloha dia tsapa tokoa ny hetahetam-pandrosoan’ny vahoaka, ary tena mendrika izany izy ireo. Ny tsara hotsipihana kosa angamba dia na teo aza ireny dimy taona niainana tao anaty tetezamita ireny dia tsy nanakana anay mpitantana ny kaominina Antehiroka ny hiasa tsara sy hiady mafy mba hanamaivana ny fasahiranan’ny vahoaka. Izany rahateo no nifidianan’ny vahoaka anay. Tsindriko manokana ny hoe izahay satria ankoatra ny tenako ben’ny tanàna dia ao ihany koa ireo mpanolo-tsaina rehetra.
TT: Firy isan-jaton’ny fandaharanasa novolavolaina no tanteraka ankehitriny ary inona ireo sehatra mbola mila ezaka manokana ho fanatsarana ny fiainan’ny mponina eny an-toerana ?
RP: Tsy ireharehana akory fa am-panetre-tena tokoa no ilazana fa 170/100 ny fandaharanasa no tanteraka sy vita eto amin’ny fari-piadidiana misy ahy. Hitondrako fanazavana avy hatrany io trangan-javatra io satria ny tsara ho fantatra dia ny kaominina no voatery nameno ny lesoka sy banga rehetra tsy vitan’ny fanjakana nandritra ireny fitondrana tetezamita nitarazoka ireny ka hatramin’izao fotoana hijoroan’ny fanjakana tan-dalàna vaovao izao.
TT: Nisedra olana ny firenena nanomboka tamin’ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana, nianjadian’ny olana ihany koa ve ny kaominina niadidianao ?
RP : Ny olana dia niarahan’ny firenena Malagasy niainana tokoa, indrindra indrindra fa ny teny anivon’ny kaominina. Ny zava-nisy ary mbola iainana ankehitriny dia nitotongana tanteraka ny fari-piainan’ny vahoaka noho’ny antony maro samy hafa. Izany rehetra izany anefa mety ho zaka ihany fa ny tena loza amin’ny toe-javatra andavanandro iainan’ny mponina dia ny tsy fandriampahalemana. Mila ho isan’andro tokoa mantsy ny fanafihana tety amin’ny kaominina iadidianay. Tsy mandry andro, tsy mandry alina avokoa ny vahoaka, na an-tanety io na an-tsaha.
TT: Maro ireo kaominina no tratran’ny antsojay nandritra ny tetezamita lavareny, anisan’izany ve ny tanànan’Antehiroka? Eo amin’ny lafiny inona no nitrangan’izay ?
RP : Indrisy, tena niharan’ny antsojay tokoa raha ny kaominina sy ny mpitondra eto amin’ny tanànan’Antehiroka. Saingy aleo angamba tsy hiverenana intsony ny amin’izany fa aoka ny lasa homban’ny lasa. Ambarako mazava kosa anefa fa ny mandroso sy ny mitondra ny anjara biriky ho fampandrosoana ny fireneko no laharam-pahamehako sy tanjoko ary tsy hiova amin’izay ny tariigetrako.
TT : Manao ahoana kosa ny fiaraha-miasan’ny kaominina Antehiroka amin’ny fanjakana foibe ankehitriny ?
RP : Mety ary tokony ho tsara ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana foibe raha tanteraka araka ireny fampanantenana rehetra ireny ireo asa mifanaraka amin’izany. Hatreto aloha dia mbola tena tsy hita taratra amin’ny fiainan’ny tsirairay ireo fanapahan-kevitra marobe efa noraisin’ny fitondram-panjakana ka dia miandry izay ho vokatr’izany aloha hatreto ny vahoaka Malagasy.
TT : Hiatrika amin’ny fotoana mbola tsy voafaritra mazava ny fifidianana kaominaly isika eto Madagasikara, mbola hirotsaka hofidiana ho ben’ny tanàna ve ianao ?
RP: Eny, raha sitrapon'Andriamanitra dia mbola hirotsaka ho kandida ben'ny tànana ny tenako.
TT: Azonao ambara ary ve ny antony ary inona no fototry ny fandaharanasanao sy ireo asa laharam-pahamehana?
RP: Na maro aza ny asa vita, tsy afa po aho. Tsy afa po mahita ny fahantran'ireo mpiara-belona amiko. Tiako ary tena tiako mantsy ny tanànan’Antehiroka sy ny mponina rehetra, na tompon-tany izy ireo na mpiavy ihany koa. Izany indrindra no mbola manosika ahy hanolo-tena hiasa ho azy ireo amin’ny foko, ny saiko, ny heriko ary ny fitiavako manontolo. Mbola tsy fotoanan’ny fampielezan-kevitra izao saingy ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka amin'ny lafiny rehetra sy ny manamaivana ny fahasahiranana izay mianjady amin'izy ireo taorian'ny fanonganam-panjakana no laharam-pahamehako.
TT: Olana iombonan’ny fiaraha-monina Malagasy tao anatin’ny taona vitsy izay ny ady tany. Ahitana io trangan-javatra io ve eo anivon’ny kaominina Antehiroka?
RP : Roa taona izao no nisian'ny birao ifotony fananantany na BIF teto amin’ny kaominina Antehiroka. Nanamaivana tanteraka ny olana momban'ny ady tany izy io satria hita mazava iza no tompon'ny tany, tsy misy afaka mibodo tanin'olona intsony.
TT: Ahoana ny hevitrao indray mikasika ny fampiharana ny miralenta eto Madagasikara?
RP: Tsy manan-kambara afa-tsy ny mamporisika ireo rahavavy rehetra ny tenako mba handray andraikitra ka tsy hisalasala hirotsaka amin’ny asa fampandrosoana ny fiarahamonina sy ny firenena. Tsy vitan’ny lehilahy irery mantsy izany fa ilaina ihany koa anjara biriky avy amin’ny vehivavy.
TT: Hafatra avy amin-dramatoa ben’ny tanàna hamaranana sy hamintinana ny resaka.
RP: Nomen’Andriamanitra talenta manokana ny amin’izany isika vehivavy. Hita porofo mivaingana izany amin’ny fitantanantsika andavanandro ny tokantrano sy ny ankohonantsika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.