Actualités

Randriamifidimanana Ramanantsoa “Vonona ary sahy mifaninana ny mpandraharaha Malagasy”


  • Zoma 13 Jona 2014

Nampanantena fa hijery akaiky ny sehatra tsy miankina ny fanjakana Malagasy izay fanoitra fototra ho an’ny fampandrosoana. Mitana anjara toerana goavana ao anatin’izy io ny tontolon’ny fandraharahana izay horesahantsika anio. Vahinin’ny SOKELA anio ny filohan’ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy, Randriamifidimanana Ramanantsoa. Dinidinika.

 Tia Tanindrazana (TT) : Inona no mahasamihafa ny FIV.MPA.MA amin’ny GEM sy ny SIM ?

Randriamifidimanana Ramanantsoa (RR) : Ny FIV.MPA.MA (Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy) dia fivondronana anankiray izay manambatra ny orinasan’ny mpandraharaha mikirakira ny toekarena Malagasy sy miaro ny harem-pirenena. Ny GEM (Groupement d’Entreprises de Madagascar) indray dia fivondronan’ireo sehatr’orinasa eto Madagasikara izay miisa 19 ka orinasa vaventy vahiny no tena betsaka ka anisany ny SIM (Syndicat des Industries de Madagascar). Miova isaky ny 4 na 5 taona ireo mpiasa mpitantana azy ireny. Ny mpandraharaha Malagasy kosa mazàna dia tompony ny ankamaroany manomboka any amin’ny orinasa tena madinika ka hatrany amin’ireo orinasa goavana sy vaventy.

TT : Misy mpikambana FIV.MPA.MA ve manerana ny Nosy ?
RR :
Ireo orinasan’ireo mpikambana no misy manerana an’i Madagasikara. Eto Antananarivo kosa no misy ny ankamaroan’ny foiben’izy ireo.

TT : Nandalo krizy ny firenena nanomboka tamin’ny taona 2009, ahoana ny niainan’ny mpandraharaha Malagasy izay 5 taona izay ?
RR :
Deraina tsy misy an-kanavaka ny mpandraharaha rehetra nahatanty tokoa izay 5 taona azo ambara fa tena mafy tokoa. Niova ny rafitra rehetra teto amin’ny firenena satria tsy nisy nivoha mihitsy sy nahafahana nivelatra. Trangan-javatra izay nanery ny rehetra hiala amin’ny ara-dalàna ka nanimba ny toekarena tanteraka. Lasa miafinafina daholo ny zavatra natao teto. Afaka anefa ny 5 taona dia manana fijery vaovao isika izay tokony arahina fiovana toe-tsaina ihany koa. Izay indrindra no nahatonga ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy nikarakara ny hetsika izay tontosaina eto Andraharo.

TT : Nisy ny fampanantenan’ny fanjakana hijery akaiky ny sehatra tsy miankina, ny fijerinao izay ?
RR :
Voalohany angamba izao no nilazan’ny fanjakana fa ny sehatra tsy miankina no fanoitra amin’ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny fiharian-karena eto Madagasikara. Samy manana ny traikefany amin’ny taranja misy azy avy ka inoako fa tokony handeha izy io. Nametraka moa ny fanjakana fa tsy ho anisan’ny mpifaninana fa kosa hanohana tanteraka ny sehatra tsy miankina. Mila miady mafy noho izany ny sehatra tsy miankina.

TT : Ahoana kosa no paikady entin’ny mpandraharaha mampirisika ny fanjakana hanaja ny fampanantenana nomeny ?
RR :
Hiarahantsika mahalala fa ny 80%-n’ny Malagasy dia tantsaha avokoa. Ny politika ankapoben’ny fanjakana dia mirona betsaka any amin’ireo sehatra telo lehibe misy eto Madagasikara dia ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono. Tsy vita moramora anefa izany fa tsy maintsy mijery ny vahoaka Malagasy. Anisan’izany ny fanomezana haingana tany ho an’ny Malagasy. Mila mametraka toromarika ny fanjakana izay miainga avy amin’ny fahazoana antontanisa marina amin’ireo vokatra tena ilaintsika eto an-toerana sy ny tadiavin’ny tsena any ivelany. Eo ihany koa ny fitsinjarana asa mba ahafahantsika manolotra entana tsara kalitao sy afaka mifaninana amin’ny vokatra vahiny. Torak’izany ny momba ny fanondranana izay tsy tokony hisy sakana na olana. Etsy an-daniny dia tsy hipetra-potsiny ny sehatra tsy miankina fa handray izay andraikitra mifanandrify aminy.

TT : Tsy matahotra fifaninanana ve ny mpandraharaha Malagasy ?
RR :
Ny tena mpandraharaha dia manana paikady manoloana ny trangan-javatra rehetra ary ao anatin’izany ny tontolon’ny fifaninanana. Ny tanjona dia ny fahazoana ny laharana voalohany hatrany nefa kosa ao anatin’ny fanajana ny lalàna velona. Izaho aloha mino ary resy lahatra fa ny Malagasy tsy matahotra ary vonona hifaninana.

TT : Ny teny farany hamintinana ny resaka avy aminao.
RR :
Eto aho dia mampirisika ny Malagasy rehetra handray andraikitra satria ity Madagasikara firenentsika ity dia malaza tsara. Isika rehetra izay resy lahatra fa afaka mandroso ny firenena Malagasy dia mila mampiseho izany amin’ny alalan’ny asa. Aza miandry ny hafa fa hatombohy avy hatrany aminao ny fandraisana andraikitra. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT