Randriamamizafy Ignace

> “Fampahantrana vahoaka no misy eto fa tsy demokrasia”


  • Zoma 23 Aogositra 2013

Atoa Randriamamizafy Ignace na i Gaona, mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana voatendry avy any Moramanga, no vahinin’ny Sokela anio. Ny tsy mampivaha ny krizy, ny andraikitry ny olom-boatendry avy amin’ny ankolafy Ravalomanana niditra tao anaty rafi-pitondrana tetezamita ary ny hoavin’ny raharaha politika any Moramanga no nasiany teny manokana tao anatin’izao tafatafa izao.

Tia Tanindrazana (TT) : Anisan’ny mpitari-tolona mafana fo ao an-kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ianao ary hita ho be mpanaraka rehefa mandray “micro”, nisy fianarana manokana fifaneraserana amin’ny vahoaka ve nataonao ?
Randriamamizafy Ignace (RI)
: Izaho dia nianatra manokana tany ivelany mikasika ny fifandraisana amin’ny haino aman-jery, ka amiko, dia mila fantarina ny mikasika ny olona iresahana sy ny zavatra tadiaviny dia ampahalalana azy koa ny tena zava-misy marina. Aleo mantsy adala vahoaka toy izay adala mpitondra, fa ny mpitondra mbola afaka miteny ny vahoaka adala fa raha ny mpitondra mihitsy no adala dia ho potika ny firenena.

TT : Miverina misamboaravoara indray ny tontolo politika eto amintsika ankehitriny raha mba efa saika nahitana rirany kely teo alohaloha teo, ny antony ?
RI :
Marina tokoa izany. Ny antony dia noho ny fidiran’ny GIC-M mivantana amin’ny fanendrena izay ho kandidà ho filoham-pirenena Malagasy. Manampy izay ny faneken’ny mpitsara mahefa an’io tsindry io. Efa nandeha moa ny filam-baniny fa tsy hisy fifidianana izany eto raha manaraka ny lisitra ny CES 1. Na inona n’inona anefa antony namoahan-dry zareo ny lisitra 41 dia azo ambara fa niroso tamin’ny fitoniana izany ary azo atao ny nandroso ny fifidianana na dia tsy mbola vita aza ny fampihavanana fa nanana kandidà ny ankolafin-kery rehetra. Tsy niteny tsy nivolana ny GIC-M tamin’izany ary efa tonga tany amin’ny fandrafetana ny biletà tokana aza ny CENI-T. Rehefa nahita kosa anefa ry zareo fa natanjaka ny kandidà Neny Lalao Ravalomanana dia niditra an-tsehatra mihitsy ny Frantsay nanampy ny fitondrana hanao lalàna vaovao hisakanana azy tsy ho kandidà indray. Tsy mahagaga ny fikorontanana fa didy efa tsy azo hivalozana aza mbola ahitana hirika hovana indray. Dia mbola misy famoahana didy hitsivolana nefa misy Parlemanta mijoro ara-dalàna eo afaka manao lalàna.

TT : Misy manakiana mafy ianareo olom-boatendrin’ny ankolafy niditra tao anaty rafi-pitondrana nefa tsy nahavita namerina ny filoha Marc Ravalomanana akory ?
RI :
Tena ekena amin’ny fo tsy miangatra fa tsy nahatanteraka ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana izahay. Tsy izahay anefa no tsy nahavita ny andraikitray fa ny iraisam-pirenena no tsy nanao ny anjara tandrifiny. Tsy misy mihitsy ny fanasaziana ny tsy fanatanterahana ny voalazan’ny tondrozotra ary odian-tsy hita hatrany ilay andininy faha-20 tokony hamerina tsy misy fepetra ny filoha Marc Ravalomanana. Ny Praiminisitra nilaza ny tondrozotra ho “patron”-ny aza tsy mahafehy ny minisitry ny serasera eo ambany fifehezany akory hanery ny famohana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT, ary dia nojeren’ny iraisam-pirenena fotsiny ihany koa izany. Ka iza no tsy nanao inona ?

TT : Atoa CT, be ny milaza fa vahaolana amin’izao fotoana izao ny fialanareo ao anaty rafitra, ianareo koa efa betsaka no tsy tazana an-kianja intsony, nahoana ?
RI :
Iombonako tanteraka ny milaza izany hevitra izany satria raha ny marina dia natao ho haingom-pitondrana fotsiny ny ankolafy Ravalomanana ao anatin’io tetezamita io. Tena nambaniana tanteraka mihitsy fa “tsy nasiana sira”, hoy ny fitenin-jatovo ankehitrio, ka tsy misy antony tokony hijanonan’ny ankolafy ao anatin’io fitondrana io intsony raha ny hevitro. Tsy hisy dikany anefa raha mandeha irery ny fametraham-pialana fa tsy maintsy fialana faobe no atao. Raha ny mikasika ny tsy fahitana ireo namana an-kianja intsony indray dia tsy afaka ny hiditra amin’izay aho fa ny azoko ambara dia hoe : izahay any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo dia miloloha rano roa siny satria sady atrehana ny ao Behoririka no tsy maintsy jerena koa ny any an-tanàna niaviana.

TT : Ka ny ao amin’ny Magro anie voalaza fa fandehanan’ny tsy manan-katao fotsiny ê ?
RI :
Izaho dia sahy milaza fa vokatry ny fiaretan’ny vahoaka ny tolona an-kianja efa-taona sy tapany izay no tsy nahafahan-dRajoelina nihetsika firy satria raha tsy nisy ireny tolona nifindrafindra toerana ireny dia efa nahazo fankatoavana iraisam-pirenena izy. Ka inoako fa raha tsy tratra ny tanjona famerenana an’i Dada an-tanindrazana dia tsy ho rava izany ny hetsika ao amin’ny Magro. Tokony hohamafisina amin’ny fidinana an-dalambe mihitsy amin’izay aza satria sady tsy avela hody i Dada no tsy avela hirotsaka hofidiana i Neny.

TT : Raha hikisaka kely any Moramanga nanjakan’ny mpanao politika niloko mena hatrizay isika Atoa MCT, ny Arema no tiana ho lazaina, tsy atahoranao ve ny hifaninana amin’izy ireo ankehitriny ?
RI :
Atao hoe tanànan’ny loko mena i Moramanga hatramin’izay, vaton-drazana, hoy ny filazan’ny any an-toerana azy. Ny dikany tsy hoe nahavita zavatra tao ry zareo fahiny fa ny olona nitondra fanazavana ny zava-misy tamin’ny vahoaka no tsy nisy ka voafahana lainga hatrany ny vahoaka. Efa potika tanteraka moa i Madagasikara raha tarafina amin’ny zava-misy amin’iny faritra iny hatrany Anosibe an’ala any satria zary mangadihady ny tany noho ny fanapotehina ny ala. Tamin’ny taona 1991 izahay raha nitondra fanazavana tamin’ny vahoaka dia izay vao azon’izy ireo tsara ny fandehan’ny fanararaotana azy hatramin’izay ka iny niaraha-nahita iny ny vokatry ny zava-nisy. Saingy mora miverina amin’ny taloha izany vahoaka izany rehefa misy tsy zakany ka izay no nilazanay fa mora ho an’ny filoha Marc Ravalomanana no miverina amin’ny fitondrana noho ny fahatsapan’ny Malagasy ny mahazo azy ankehitriny.

TT : Izao kosa anie manjaka tsara ny demokrasia Atoa MCT ê ?
RI :
Hamaranako azy dia ambarako mazava fa eto Madagasikara dia tsy misy izany tany tan-dalàna na “Etat de droit” izany fa ny mpanam-bola sy matanjaka no manjakazaka eto. Very zo tanteraka mponina fa isaky ny mamory vahoaka ny mpanohitra dia baomba lakrimôzena no setriny. Teny vaovao no ampiasaiko hoe : “PAUVRECRATIE” no misy eto fa tsy demokrasia izany ka raha fampanjakana ny hevitry ny daholobe entina hampandrosoana ny firenena no heverina hatao dia fampahantrana ny daholobe hahazoana mitsentsitra azy sy ny hareny no misy. Izay ilay “pauvrecratie”.

 

Nangonin’i Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT