Actualités

Randriamahefa Henri Charles Tsy maintsy hampanarahana lalŕna ny famoaham-bolam-panjakana


  • Alarobia 30 Jolay 2014

Hosokafana ofisialy anio alarobia 30 jolay amin’ny 10 ora maraina ny fivoriana tsy ara-potoana handinihana manokana ny volavolan-dalŕna fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2014. « Aleo tara toy izay tsy misy », hoy ny depiote Randriamahefa Henri Charles, raha namaly ny fanontaniana mikasika ny nahatara ny fahatongavan’ilay volavolan-dalŕna fanitsiana ny tetibolam-panjakana hoenti-miasa amin’ity taona 2014 ity izy

Tsy azo atao ny manao « loi budgetaire de finances » raha tsy ao an-tanana ny tarehimarika (volume budgetaire) hoentina manitsy azy (fantatra hoe : ohatrinona ny tontalim-bola nomen’ny Iraisam-pirenena hanampiana ny eo an-tanana). Ny natao tamin’ny volana oktobra 2013, hoy ity solombavambahoaka ela nietezana eny Tsimbazaza ity, dia « budget prévisionnel » niankina betsaka tamin’ny hetra nampidirina tato anatiny. Isika izao efa ato anatin’ny Repoblika faha-4, tsy maintsy manao fanitsiana satria efa manomboka mandrafitra tetikasa ary ny 71%-n’ny tetibola fampiasa amin’izany dia avy any ivelany avokoa. Teo ohatra ny 500 tapitrisa euros  azo avy amin’ny Fed fahefatra hanatanterahana lalana sy fotodrafitrasa lehibe maro. Misy koa minisitera sasantsasany nakambana na nosaratsarahana na vao noforonina mihitsy aza ka tsy maintsy mila fanitsiana ny tetibola voasoratra hampiasain’izy ireo. Ho fehiny dia tsy maintsy hampanarahana lalàna ny famoahana vola holaniana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana fa lasa manao fanodinkodinam-bola raha tsy izany. Ireo vola vahiny hampiasaina ireo izany, hoy ny depiote Randriamahefa Henri Charles, dia karazana tohan’aina (bouffée d’oxygène) ho an’ny mpitondra fanjakana amin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena. Samy efa namolavola ny ho tetibola fanampiny ho azy avy ihany koa moa ireo rafi-panjakana isan-tsokajiny eto amintsika tahaka  an-dry zareo ao amin’ny governemanta na izahay ety amin’ny Antenimieram-pirenena … ka rehefa miverina avy any amin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola ny volavolam-panitsiana faobe dia samy manitsy ny azy ao anatiny araka izay laharam-pahamehany avokoa ny rehetra. Diso izany eto ny eritreritra manao hoe : holanilaniana fahatany ety Tsimbazaza indray ity volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibola ity. Tsy misy vola lanilany foana izany ety. Tsy andraikitry ny kestora samirery intsony mantsy ny fanapahana ny fandaniana atao fa misy ny « ordonateur secondaire » manome alalana ny filoha lefitra iray hanatanteraka izany koa raha ilaina. Misy ihany koa moa, hoy izy, ato anatiny ato ny mpanara-maso fa manaraka ny ny fandaminana ny raharaha ety (orthodoxie financiere).

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT