RANDRANA SENDIKALY

«Tsy mahavita ianareo mpanao


  • Alakamisy 13 Martsa 2025

politika, mila ny fiaraha-mientan’ny rehetra isika ».

65 taona nahaleotena isika izao, hoy ny Randrana sendikaly, ka dia ny hafatra ho an’ny fiarahamonim-pirenena izany dia hoe isika anatin’izany lasa tenenin’ny olona hoe lany andro mivory fotsiny, manao fanambaràna fotsiny, maka volan’ny mpamatsy vola fotsiny dia manao bolokim-bazaha fotsiny. Isan’ny fanakianana ataon’ny vahoaka amintsika fiarahamonim-pirenena izany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, ka tonga ny fotoana izao iandrasan’ny vahoaka hoe inona ilay tena sosonkevitra sy asa mivaingana andrasan’ny vahoaka amintsika satria tena latsaka an-katerena ny firenena? Ny mpanao politika koa dia andrasana satria 65 taona nahaleotena, napetraka ilay telozoro, dia rehefa misy krizy eto Madagasikara dia mivorivory ny mpanao politika hoe hamaha olana. Miverimberina ilay krizy. Inona ilay vahaolana? Mizara seza no atao ao fa tsy misy paikadim-pampivoarana mihitsy. 28% eo sisa, hoy ihany ilay fanadihadiana izay, no hany sisa matoky ny mpanohitra eto Madagasikara. Manao sarin’ady ve ny mpanao politika malagasy sa tena vonona hitondra fanovana ao anatin’ilay izy? Farany teo aza moa dia hoe nifanasa vangy ny mpanohitra. Izany ve no ilaina ao anatin’izao toe-draharaha izao sa hoe fanajanonana ilay ambom-po? Tokony hijery ny paikadim-pampandrosoana ny firenena amin’izay. Io efa sokafan’ny Randrana sendikaly io ny lalana satria efa tsy mahavita ianareo mpanao politika ka mila ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’izay. 65 taona izany, raha olona miasa, efa nisotro ronono 5 taona, hoy hatrany ny Randrana.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT