Tsy ny sehatra tsy miankina ihany no manana lalàna manokana mifehy azy,
hoy ny Randrana sendikaly, omaly, fa ny sehatry ny fanjakana koa dia misy ilay antsoina hoe “Statut générale des agents publics” na sata manokan’ny mpiasam-panjakana. Hanentanana sahady ny governemanta izany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, hoe mba tokony efa dinihina sahady tahaka ny an’ny mpiasa tsy miankina ihany koa ahafahana mamaritra ny fototra aloha mialohan’ny hidirana anatin’ny adihevitra momba ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Vita moa iny ny lalàna mifehy ny tetibola dia miandry any amin’ny fanitsiana azy indray izany isika no miresaka. Aleo aloha hifantoka amin’ny resaka lalàna momba ny asa na “code de travail” dia miditra amin’izany ary tokony efa sainina sahady koa ny mikasika ny lalàna momba ny sosialy na “code de prévoyance social” satria efa fotoanany isika izao tokona hanavaozana izany rehetra izany satria tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro intsony fa efa tamin’ny 1969. Misy resaka sosialy anatin’izany asa mendrika izany raha te ho tonga amin’izany. Tolona efa hatramin’izay nataon’ny Randrana sendikaly izany ary tohizana foana ny tolona, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.