Randrana sendikaly

«Mihatra io sata vaovao io rehefa matoritory ny mpiasan’ny JIRAMA»


  • Alakamisy 17 Jolay 2025

Masiaka amin’ny solombavambahoaka izahay satria tsy hainy ny andraikiny,

hoy ny Randrana sendikaly. Matoa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, niantso ny filoham-pirenena ny sendikan’ny JIRAMA dia nitady vahaolana politika. Rehefa manana olana ve ny vahoaka dia mila miandry antsoina ny solombavambahoaka, hoy izy, vao tamy? Vao mahita olana mahazo ny vahoaka ianareo dia tokony ho tonga fa tsy miandry antsoina! Izahay sendika no mila antsoina vao mahazo mitsabaka amina aferana orinasa iray. Vahoaka ny mpiasa. Mbola azo tohizana tsara iny tolon’ny JIRAMA iny raha vonona ry zareo hametraka hoe inona no tena fitakiany? Tsy fantatray hoe efa nisy ve sa tsia ny fihaonana? Tsy hoe tsy manao politika raha niantso filoham-pirenena fa tena nitady vahaolana politika no dikan’izany ka noho izany tokony nisokatra ilay tolona. Nialohan’ny nisokafana dia tokony nanangana ekipa nanao fiandry ihany koa. Raha toa ka nisy tsinona ny fihaonana dia fihaonana politika izay, mazava ho azy fa nandeha daholo ny paikady rehetra handreseny lahatra anao. Na fahaizana miresaka io na fampitahorana, ny rehetra. Tsy maintsy ataon’ilay olona resahinao izany hahafahany mandresy lahatra anao. Mba tsy hifantoka irery aminareo delegasionina mankany dia mametraha koa delegasionina fiandry aty ivelany handray toromarika avy aminareo raha misy tsy ifanarahana tampoka! Ny fanaon’ny fitondràna amin’izao tsinona io mody hampangininy io kely foana nefa mihatra ihany avy eo. Izay no tena mila maha mailo ny rehetra. Mihatra ihany io sata vaovao io rehefa matoritory eo ny mpiasan’ny JIRAMA. Ohatran’ny sata mifehy ny asa na «code de travail» ihany io. Ny Randrana sendikaly mitabataba aty ivelany fa misy solontenan’ny mpiasa ampanantsoina any dia miha mangiana miha mangiana ilay izy avy eo. Efa mivoaka ilay sata vaovao mifehy ny asa vao taitra daholo hoe hay mamono mpiasa izy ity!? Ny fanatsaràna ny sata taloha sa sata vaovao no mety amin’ny JIRAMA? Mila ataon’ireo sendikan’ny mpiasan’ny JIRAMA mazava tsara izay, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT