Randrana sendikaly

«Mety amin’ny SADC ve ny


  • Alarobia 20 Aogositra 2025

hampanantenaina fotsiny ohatran’i Madagasikara?»

Arahabaina izany aloha isika eto Madagasikara satria zava-dehibe ny hoe isika, amin’ny alalan’ny filoham-pirenentsika, no mitondra ny SADC mandritry ny herintaona, hoy ny Randrana sendikaly. Nanantena izahay, hoy ny sekretera jeneralin’ity sendika ity, Barson Rakotomanga, fa paikady vaovao no ho entin’ny filoham-pirenena malagasy hitantana izany vondrona ahitàna firenena afrikanina miisa 16 izany. Teo am-panombohana nefa, hoy izy, dia nanaitra anay sahady toa tahaka ny paikady hitondràny an’i Madagasikara ihany izy izany? Mampanantena hatrany ohatran’izay niainantsika tao anatin’ny 7 taona mahery izay. Mety amin’ny SADC ve ny hampanantenaina fotsiny ohatran’i Madagasikara? Rehefa ohatran’ireny moa ireo mpikambana dia mihaino sy mandinika dia miverina miresaka avy eo rehefa tonga any amin’ny fireneny tsirairay avy any. Raha miisa 16 ny firenena mikambana ao amin’ny SADC dia tokony nisy filoham-pirenena na fanjakàna miisa 16 izany tonga teto Madagasikara. 6 nefa no tonga, izany hoe tsy tratra ny atsasa-manila. Miresaka fahaleovantena ara-tsakafo ny filoham-pirenena ka matoa izany fahaleovantena ara-tsakafo izany tanteraka dia misy mpiasa be dia be mandray anjara ao. Mahaleotena ara-tsakafo nefa ny sakafo hohanin’ireo mpiasa ireo aza tsy misy akory. Tsy mitombina izany. Tsy maintsy manana hery sy tanjaka hanatanterahana izany ny mpiasa vao tonga anatin’izany. Firenena miisa no tsikaritray manokana tao anatin’iny fihaonana an-tampony faha 45n’ity vondrona ara-barotry ny atsimon’i Afrika ity iny. Tsy tokony hahagaga ny rehetra izany Afrika atsimo izany raha tonga teto. Tsy fantatra izy na te ho tonga na tsia fa tsy maintsy tonga izy satria handray ny fihaonana an-tampony manaraka eo. Ny fireneny efa mandroso be. Efa mihoatra be ny 10 Dolara isan’olona, isan’andro ny karaman’ny mpiasa farany ambany any. Isan’ny nanamarika anay koa ny firenen’i Namibia, izay ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly dia isan’ny nitsidika tany koa herinandro nialoha iny fihaonana an-tampony iny. Nifampiresaka tamin’ireo sendikalista any an-toerana ihany koa mikasika ny tontolon’ny asa any amin-drizareo. 18 Nad na 1 Dolara isan’ora no karama farany ambanin-drizareo. 8 Dolara izany, raha adin’ny 8. Raha kajiana tsotra kely dia 8x30=240, izany hoe mandray 240 Dolara isam-bolana farany ambany ny mpiasa any. Ny antsika 58 Dolara isam-bolana nefa isika no mitondra ilay SADC. Mampiheritreritra izany, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT