Actualités

Randrana sendikaly “Hiha mafy hatrany ny hetsika”


  • Zoma 10 Martsa 2023

Ho fanamarihana ny andron’ny vehivavy dia nanatontosa fampiofanana ireo mpikambana ao aminy momba ny zon’ny vehivavy tetsy amin’ny foibeny etsy 67ha ny Randrana sendikaly ny 8 martsa lasa teo.

Nasongadina tao anatin’ny fankalazana koa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, ny fankanesana teny amin’ny CNaPS satria somary mampieritreritra ny fahanginan’ny filankevim-pitantanana. 6 volana niasana, na notsikerain’ny Randrana sendikaly aza hoe mbola tsy nivoaka akory ny fisoloan-tenan’ny sendika dia nataon’ny minisiteran’ny asa an-terisetra ny fanendrena ny filankevitra hiasa 3 taona. Mahagaga hoe 6 volana aty aoriana mbola tsy nahita olona 1 atao tale jeneraly amina vahoaka 27 tapitrisa. Eo izany no mampametra-panontaniana hoe fitavozavozana sa hoe aleo ho roritina toy ny teo aloha indray ve izany dia ho atao tantely afa-drakotra toy ny teo aloha ny fitantanana ny CNaPS? Tsy mahavita na inona na inona no dikan’izany ilay filankevim-pitantanana. Tokony hiteny amin’izay izany io filankevitra io hoe nanao ahoana amin’izay ary ny mikasika ilay vola nampiasaina teny amin’ny Air Mad satria heverina fa efa nahavita fifamindram-pahefana matoa 6 volana no mipetraka eo? Ny resaka volan’ny vehivavy moa tahaka ny volan’ny vehivavy bevohoka, fisotroan-dronono, mitaiza kely, loza anaty asa dia misy mikitika daholo. Nanomboka 2016 no tsy nazava ny fitantanana tao amin’io CNaPS. Hanafenan-javatra ve izany ny fidirana anatin’ireny fikambanana rejionaly aty Afrika ireny? Aiza ho aiza ny mikasika ny fiahiana sosialy na “code de prévoyance sociale” satria mangina tsy ahenoina feo mihitsy ny CNaPS manoloana izany? Miandry ny tatitry ny filankevim-pitantanana izahay ary hiha mafy hatrany ny hetsika, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT