Actualités

Ramiandrisoa Fulgence « Tsy misy vato diamondra izany ao anatin’ny olona varira »


  • Talata 04 Aprily 2023

Anisan’ny antony hakan’ny sasany an-keriny ireo olona varira eto amintsika hatramin’izao ny fielezan’ny feo fa misy harena sarobidy miafina any anatin’izy ireny.

Anisan’izany ny vato sarobidy diamondra izay ambaran’ny sasany mihitsy fa ao anaty masony…Tsy vitsy ireo lasa manaotao foana mangalatra sy maka an-keriny ireny olona varira ireny noho izany antony hanokanana azy ireny any amina ivon-toerana iray any Farafangana ho an’ireo monina ivelan’ny Faritra Analamanga izay nohatevenina mpitandro ny filaminana mihitsy . Nambaran’ny filohany Ramiandrisoa Fulgence fa tsy misy vatosoa na safira na diamondra izany any anatin’ireny olona varira ireny. Olona mitovy amin’ny olombelona rehetra ihany izy ireny hoy izy ka tsy tokony hahilika na koa hatao sorona mba hitadiavan-karena. Nisy omaly ny sonia fifanekem-piaraha-miasa niarahan’ny fikambanana Albinos de Madagascar sy ny fikambanana tsy miankina iray. Anisan’ny vontoatin’ny fiaraha-miasan’izy ireo ny hanentana ny mpiara-belona eny anivon’ny Fokontany, sekoly, kaominina mba tsy sanatria hanilika na haka an-keriny ireny olona varira ireny fa hiaro sy hanampy azy kosa indrindra amin’ny fiatrehany ny fiainana amin’ny andavanandro.
Pati
Legende : Mahatsiaro mijaly ireo olona varira manoloana ny fakana an-keriny azy ireny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT