Ramatoa namono ny rafivaviny

Namono tena izy avy eo


  • Zoma 20 Oktobra 2023

Tranga nampivarahontsana tany Ampasina Ambodiampana, distrikan'i Mananara Avaratra,

no niseho ny talata teo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Vehivavy iray no voalaza fa namira ny rafivaviny tamin'ny antsibe. Maty vokatr'izany ity nambara fa rafivavy ity. Nandriaka ny rà. Rakotra dian'ilay antsibe ny hatony, ny tanany, ny lohany. Nandositra ilay ramatoa tompon'antoka. Avy eo hita faty niantona tamin'ny jirofo sahabo 4 metatra ny haavony. Tsy nisy ratra na diana vono teny amin'ny vatany. Ny fizahan'ny dokotera sy ny zandary no nilaza fa vono olona sy famonoan-tena no niseho. Samy nomena ny fianakaviany avy ny razana. Namono tena araka izany ilay ramatoa rehefa avy namono ny rafivaviny, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT