Actualités

Ramatoa maty voahitsaky ny kamiobe Nikarepoka ny lohany


  • Alakamisy 07 Aogositra 2014

Ramatoa iray tokony ho 45 taona indray no maty voahitsaky ny kamiobe tao fokontany Antanambao-Atsinanan’Ivohitra ny marainan’ny Talata 05 aogositra lasa teo

Raha ny nambaran’ireo nanatrimaso dia teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Bevonikazo no nitrangan’izany tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo,ka ity ramatoa ity dia voalaza fa nivoaka ny toeram-pivarotana iray ary nisotro toaka kely tao. Raha vao nivoaka ny trano fivarotana nefa izy dia nianjera ary nifanandrify tamin’ny fandalovana kamio iray ka voahitsaky ny kodiarana teo aloha, izay efa tsy tazan’ilay mpamily intsony.Taitra noho ny feo nipoaka vokatry ny hitsaka ilay mpamily ka nijanona ary nijery ka akory ny hatairany fa efa nikarepoka tanteraka ny lohan’ilay ramatoabe.Tsy nialana nenina akory moa fa tsy tra-drano ara-bakiteny ilay ramatoa ka nantsoina ny mpitandro filaminana sy ny avy tao amin’ny BMH nanao ny fitsirihana. Marihina moa fa isan’ny be mpampiasa ihany koa iny lalana mihazo an’Andrangy iny ary efa somary manahirana ny fifamoivoizana noho ny hateren’ny lalana sy ny tsy fifananjana eo amin’ny samy mpampiasa izany ka isan’ny mahatonga ny loza toy izao

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT