Ramatoa leo fangejana sy herisetra

Saika hamono tena niaraka tamin’ny zanany


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2023

Samy manana ny anjara hazo fijaliana lanjainy ny tsirairay eto ambonin’ity tany fandalovana ity. Misy ireo kely dia namoy ny ainy tsy nahita fiainana akory,

misy ireo nilaozam-bady, misy ireo tsy mijaly am-panambadiana, misy ireo tsy ambinina amin’ny asany, misy ireo tsy miteraka….tranga izay samy mampamoy fo avokoa. Ho an’ilay Renim-pianakaviana iray monina etsy Anosizato Atsinanana ohatra dia nikasa ny handao ny tany tamin’ny Sabotsy teo izy sy ilay menaky ny ainy vao 3 taona monja. Nidina moramora tao anaty rano feno tsikafona izy ka nasitriny tao ilay zanany tsy manan-tsiny. Saika hisitrika ihany koa izy taorian’izany kinanjo nisy nahita tampoka. Navotana faran’izay haingana izy mianaka nandritra izany. Nilaza moa ilay ramatoa fa atao toy ny gadra izy mianaka ary hidiana ao an-trano foana tsy mba manana fahafahana mihitsy, antony saika hamonoan’izy ireo tena. Tsiahivina moa fa tafiditra ao anatin’ny herisetra hatao amin’ny olona iray ny fanomezana azy fahafahana tahaka izany. Azon’ireo vehivavy hiharan’izany hatao tsara ny manatona ireo fikambanana miady amin’ny herisetra hahafahana mamaha ny olana.
Pati
Legende : Ireto izy mianaka saika hamono tena !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT