Actualités

Ramatoa Christine Naolan’ny mpitandro ny filaminana…


  • Alakamisy 02 Jolay 2020

Renim-pianakaviana iray antsoina hoe : Christine, 46 taona, no fantatra fa naolana mpitandro ny filaminana rehefa tsy nahita taksibe intsony ny 29 may lasa teo.

 

Raha araka ny fanazavan’ny vadiny izay nanatona ny fikambanana Hafari Malagasy mpiaro ny zon’olombelona tetsy amin’ny 67 ha omaly, dia nandeha dia an-tongotra avy any Ambohijanaka no nahavoa io vadiny io naka vola 5.000 Ar karamany tany amin’ny mpampiasa azy. Mbola tao anatin’ireny fihibohona nahery vaika ireny anefa isika teto amin’ny Faritra Analamanga tamin’izany fotoana, nijanona tamin’ny 01 ora folakandro ny taksibe ka tsy nahita fiara notaingenana intsony ity Renim-pianakaviana iray ity. Voatery nandeha dia an-tongotra niainga tany Ambohijanaka hamonjy fodiana izy noho izany kinanjo nahita loza. Raha iny izy nidina avy any Ambohimiandra eny amin’ny villa Berlin iny mantsy, hoy Ramamonjiariavony Norbert vadiny no nambaran’ilay Ramatoa fa notazonin’ny mpitandro ny filaminana izy fa tratry ny “couvre feu”, hono. Tsy voatazona tsotra anefa izy fa nentin’ilay mpitandro ny filaminana tany an-tokantranony ary dia naolany, hoy hatrany ny fitantaran’ity Renim-pianakaviana ity. Andro vitsy taty aoriana dia nisy nanary teny amin’ny By pass izy raha taxi-phone teny Ambohimangakely kosa no niantso ireo vady aman-janany izay nilaza fa very tany ilay Ramatoa. Telo andro nahatongavana tao an-tokantranony vao nety nilaza ny marina tamin’ny vady aman-janany ity Renim-pianakaviana ity. Nalemy tanteraka mantsy ny tenany ary saika tsy niteny intsony izy. Nolazainy ihany koa moa fa hitany ilay trano nitondrana azy, saingy norahonan’ilay mpitandro ny filaminana izy ka matahotra mafy. Marihina moa fa efa nametraka fitoriana eny anivon’ny mpitandro ny filaminana  sy fitarainana eny anivon’ny fiadidian’ny Repoblika ireto fianakaviana ireto.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT