Ralita sy ny namany

Nivoaka ny fonja rehefa nogadraina


  • Alakamisy 31 Jolay 2025

15 volana noho ny heloka tsy nataony…

Misaotra an'Andriamanitra avo indrindra tamin’ny fitantanany rehetra, hoy ny mpisehatra ara-tsosialy, Haingo Paradis. Misaotra ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, hoy izy, namaly ny fangatahako. Misaotra ny minisitry ny fitsaràna niharitra ny kikiakako andro aman'alina tsy nifidy ora vokatry ny tsy fahazakako ny famonjàna ny olo-marina. Misaotra ireo mpitsara marina tsy naka vola na Ariary aza fa nitsara ara-drariny ny raharaha fividianana «groupe électrogène» na fitarihina herinaratra teo anivon'ny orinasa JIRAMA. Misaotra an'ireo namana mpanao gazety nanampy betsaka sy nifampitantana tamiko nandritra ity ady goavana natrehana ity. Misaotra anareo namana rehetra tsy an-kanavaka nifanohana sy nitondra am-bavaka. Naharitra 13 ora ny fitsaràna ny raharaha. Afaka soamantsara i Rakotohova Rabetsara na Ralita sy Fanomezasoa Bernardin Soja, anio 30 Jolay 2025 (TTF : omaly) tamin’ny 2 ora sy 35 minitra rehefa nifatotra nandritry ny 15 volana ngarangidiny, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray. Tetsy ankilany dia nahavelom-panontaniana ny mpanara-baovao ihany ny dikan’ilay fisaorana ny filoham-pirenena voalaza ho namaly fangatahana teto. Isan’ny fanontaniana ny hoe idiran’ny filoham-pirenena ve izany ny raharaham-pitsaràna eto amin’ity firenena ity na koa hoe nisy dian-tanana na «intervention» avy aminy ve izany ny nahafahana namoaka ireto voafonja ireto? Andrasana ny valiny fa dia nivoaka ny fonja sy afaka madiodio aloha izany ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, Rakotohova Rabetsara na Ralita sy ny namany Fanomezasoa Bernardin Soja, rehefa nofonjaina 15 volana noho ny heloka tsy nataony akory, raha ity fampitàm-baovao ity hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT