Ralainirina Marcel

Afa-doza ny Malagasy nialan'i Andry Rajoelina


  • Alatsinainy 16 Febroary 2026

Dingana lehibe no vita teo amin'ny

fiainana ara-politika teto Madagasikara tamin'ny naharava ny fitondran'i Andry Rajoelina. "Tsorina fa tena afa-doza ny Malagasy nialany teo", hoy i Ralainirina Marcel. Tena nanapotika zavatra maro iny fitondrana iny, hoy ity farany. Nandohalika ny toekarena noho ny ampihimamba nataon'ireo olombitsy nomen'ny fitondrany tombondahiny. Nanjaka ny kinamanamana, nirongatra ny kolikoly. Voahosihosy ny lalampanorenana. Nihatra aman'aina ny famoretana ary mety tapitra niditra am-ponja ny mpanao politika Malagasy nanohitra ny fitondran-dRajoelina rehefa tsy namoy ny ainy na nitondra takaitra raha mbola nitohy teo ny fitondran'i Andry Rajoelina iny. Rava ny fiarahamonina Malagasy, hoy hatrany ity Sekretera jeneralin'ny antoko Kintana ity. Koa isaorana ry Kolonely Michael Randrianirina sy ireo manamboninahitra niaraka taminy, nijoro ho endriky ny Tafika repoblikana nanilika ny mpangeja fahefana. Hentitra i Ralainirina Marcel nilaza fa "tsy hisy intsony izany Andry Rajoelina hiverina eto izany. Fito taona i Didier Ratsiraka no tany ivelany rehefa niongana teo amin'ny fitondrany, dimy taona i Marc Ravalomanana ka anjaran'i Andry Rajoelina indray koa izao, izy rahateo efa nisafidy ho Vazaha. Korontana ny fiverenany eto ka tsy hisy hanaiky an'izany eto. Tsy tokony avela ho vitavita ho azy koa ny famotehana firenena sy famadihana Tanindrazana nataony sy ny forongony ka anairana ny Fitsarana". Miaina ny fahalalahana ny Malagasy ankehitriny, hoy ity mpikambana ao amin'ny birao politikan'ny antoko Kintana tarihin'i Tabera Randriamanantsoa ity. Ilaina lamina sy fitsipika ary fampiharana ny lalàna anefa izany, hoy izy, mba tsy ho gaboraraka. Manohana ny fanavaozana ny Repoblika tarihin-dry kolonely Michaël ny antoko Kintana, hoy ny fanamafisany ary saropiaro amin'izany, ary tsy hipetra-potsiny manoloana ireo miketrika fanakorontanana. Handray anjara feno amin'ny fikaonandoham-pirenena ny antoko Kintana ary hitondra ny anjara birikiny amin'ny fanorenana ny firenena Malagasy.
Jean D.
Sary : Ralainirina Marcel, Sekretera jeneralin'ny antoko KINTANA.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT