Mpianatra fahiny tany amin’ny oniveriste Barikadimy ny tenako, hoy Ralaimampisainarinony Manoela MCT teo aloha, ka gaga tokoa naheno sy nahita an-tsary ny zava-nisy tany an-toerana tao ho ao. Fony izahay mbola nandranto fianarana tany an-toerana, taona 1985-1986 tany ho any, dia nilamina tanteraka ny fomba niainana tao amin’ity “Centre Universitaire Toamasina ity”.
Nahazo trano ara-dalàna izahay mpianatra ary tsy mba nifanosina izany fa samy nahaleotena tanteraka. Rehefa mody any amin’ny misy ny tena rehefa vita ny fanadinana famaranana ny taona dia mamerina ara-dalàna ny lakilen’ny trano honenana ary maka izany indray rehefa amin’ny taom-pianarana manaraka, mety ilay trano teo ihany no azo na mahazo hafa vaovao mihitsy. Taty aoriana, nitaraina ho tsy mba nahazo an’izany trano honenana izany ny zanak’anabavin’ny tena nandimby nandranto fianarana tany. Tsy hay izay nitranga raha misy manao risoriso marina ny fizarana izany trano izany na nanomboka toy ny resaka fifandovana lakile amin’ny samy mpiray tanàna na mpiray fiaviana na mpiray tampo … Ny mahagaga koa dia ny hoe ahitana tatin-jaza miahy eny amin’ireny “cite unirversitaire” ireny nefa hianatra no naleha tany. Tsy manana toe-tsain’olom-banona mihitsy ny mpianatra sasany efa nahavita fianarana sy efa manambady sy mikarama ara-dalàna nefa mbola mibodo trano tokony hivantanan’ny zandry mpandimby aty aoriana. Ny anay dia nifaninanana mihitsy ny hoe : 3 taona na 4 taona ihany dia barakay miala ny toeran’ny oniversite mba hidiran’ny hafa indray. Ka amiko, hoy i Manoela, dia mety tokoa izao fanadiovana ataon’ny oniversiten’i Toamasina izao ary tokony hotohizana na alain’ny oniversite hafa tahaka koa fa tena hitovizan’ny rehetra ny trangan-javatra fa tena mambotry ny firenena ny fampiasana tsy ara-drariny ny jiro, ny rano sy ny toeram-ponenan’ny mpianatra mihitsy aza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.