Actualités

Rakotoson Jean Richard Misy fomba tsotra hanamboarana ny « solution hydroalcoolique »


  • Sabotsy 11 Aprily 2020

Manama ny injeniera Rakotoson Jean Richard fa azo atao tsara ny manamboatra ny « solution hydroalcoolique » eto Madagasikara sy ny manaparitaka an’izany manerana ny nosy.

 

 

 

Orinasa antony fa tsy hoe ozinina goavana be no ilaina araka ny soso-kevitr’ity manampahaizana Malagasy ity ary ny teknisianina malgasy izay marobe tokoa no antsoina hiasa ao amin’izany.Akora mora hita ihany koa ny atambatra ka hahavitana ity « solution hydroalcoolique » araka ny nambaran-dRakotoson Jean Richard toa  ny : alcool, eau distillée, colorant, parfum…Manana ny teknikany sy ny tsiambaratelony momba ny fanamboarana moa izy, izay nanantitrantitra fa ilaina ny fijoroana hanavotra ny firenena amin’izao vanim-potona sarotra hiadiana amin’ny Coronavirus izao ; akora iray ampiasaina efa ho isan’ora ny « solution hydroalcoolique »  na eny amin’ny toeram-pitsaboana na any am-piasana na any an-tokantrano ary vitan’ny manampahaizana Malagasy ny manamboatra azy amin’ny fomba tsotra, haingana kanefa azo antoka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT