Actualités

Rakotorova Rabetsara Lita Miala izay minisitra tsy mahavita zavatra !


  • Alakamisy 24 Jolay 2014

Rehefa misy zavatra tsy rariny mitranga eto amin’ny firenena dia mijoro izahay ao amin’ny fiarahamonim-pirenena sy mpiaro ny zon’ny mpanjifa fa tsy mijapy masinina araka ny filazan’ny sasany azy. Izany no antony nahatongavako tety amin’ny tribonaly Anosy androany (mantsy ny omaly alarobia 23 jolay) hijery ny zava-misy marina amin’ny fitsarana ireo mpanao gazety notanana vonjimaika am-ponja, hoy Rakotorova Rabetsara Lita filohan’ny Tambajotra nasionaly mpiaro ny zon'ny mpanjifa (RNDC).

Izaho, hoy izy, mahita fa efa 60 andro izay no lasa (2 volana) teo amin’ny fitantanan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta ny raharaham-panjakana Malagasy nefa tsy mbola hita taratra ny fiaingana anatin’ireny minisitera isan-tsokajiny ireny fa mbola ny teo ihany no teo ary miharatsy mihitsy aza, mbola resin’ny fitantanana tetezamita indray. Amiko, rehefa tsy mahavita zavatra ny minisitra iray dia mila mametra-pialana avy hatrany. Singaniko amin’izany ny praiminisitra sady minisitry ny fahasalamana, nanan-kevitra ny hampandoro ny boaderozy nefa nandamoka, nanam-pikasana ratsy handrava ny hopitalin’i Mahitsy … Tena miendrika famonoana an-kolaka ny Malagasy sahirana tsy afaka miditra amin’ny hopitaly manara-penitra izany. Eo koa ny minisitry ny mponina izay nitoeran’ny savorovoro tamin’ny resa-bola ho an’ireo traboina rava trano tetsy Ankadimbahoaka. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT