Actualités

Rakotondrina Alfred Mpanotra mahavita fahagagana


  • Alarobia 19 Jolay 2023

Mba maro ihany ireo milaza mahay lanotea fa miavaka ity monina ao Andrefantsena Betafo ampitan'ny Accès Banque ity.

Randriana no fiantson'ny maro azy fa Rakotondrina Alfred no tena anarany. Tena mampihaiky ny rehetra ny fahaizaina hatramin'ireo vazaha aza. Nisy iray farany avy any Frantsa efa tokony hodidiana mipotsaka tsinay (hémorroïde) no mbola voan'ny hozatea mivokona (sciatique) fa dia sitrany tao anatin'ny 30 andro monja. Ny sciatique anefa lazaon'ireo mpitsabo hoe tsy azo orina nefa dia vitany. Faly ity vazaha ity ary nikasa ny hitondra azy tany Frantsa saingy tsy nandeha izy noho ireo marary izay misy avy lavitra manatona azy aty Betafo. Siteany daholo na fanintona na hazin-damosina mikisaka na taolana tapaka. Rehefa mety ho aretina dia vitany avokoa. Talenta anefa raha ny marina satria vao folo taona raha folaka ny ankihoben-tongony dia izy ihany no namerina azy. Nanomboka teo dia lasa mpanotra i Randrina. Ary tsy nihanona tamin'izay fa mbola nianatra momba nu taova sy ny firafitry ny taolana eo amin'ny olombelona. Ny tena mampiavaka azy dia mitsinjo ireo tena sahirana izy ka manao izany ho maimaimpoana. Tsy misy sarany voafetra rahateo ny asany fa izay foina no omena.. tia manampy olona izy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT