Notanterahana teto amintsika ny volana jona 2014 teo ny atrikasa mahakasika ny fitsarana ivondronan’ireo firenena hita aty amin’ny faritra atsimo andrefan’ny ranomasina Indiana ahitana an’i Madagasikara, La Réunion, Comores, Seychelles ary i Maorisy. Ny sehatry ny fitsarana izay mahabe resaka ny fiarahamonina Malagasy tokoa tao anatin’ny taona maro. Nasain’ny gazety Tia Tanindrazana hiresadresaka ny tontolon’ny Fitsarana amin’ity anio ity Rakotonavalona Ranary, Procureur Général avy amin’ny Fitsarana an-tampony.
Tia Tanindrazana (TT) : Miara-miasa amin’ireo firenena ato amin’ny ranomasina Indiana i Madagasikara, azonao hazavaina fohy ve ?
Rakotonavalona Ranary (RR) : Tamin’ny volana jona 2013 no nikaondoha tany La Réunion ireo firenena 5 aty amin’ny faritra atsimo andrefan’ny ranomasina Indiana izay nofaranana tamin’ny fanaovan-tsonia fifanarahana. Vontoatiny ny hisian’ny fiaraha-miasa amin’ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny fomba fizotran’ny fitsarana ao anatin’ireo firenena tsirairay avy ireo. Tafiditra ao ihany koa ny fihaonana isan-taona miompana amin’ny lohahevitra iray lehibe ka nofinidy tamin’ity taona ity ny hoe : «Inona no tokony havalin’ny mpitsara ny vahoaka izay miandry azy ?»
TT : Inona ary no azo havaly io fanontaniana io ?
RR : Ny mpitsara dia tokony hanatanteraka ny asany araka ny lalàna dia ny Lalàmpanorenana sy ireo lalàna velona. Ny filazana sy ny fampiharana ny lalàna no andraikitry ny mpitsara izay tokony hotontosaina ao anatin’ny saina tsy miangatra na mitongilana ary tanterahana am-pahamarinana. Io fomba tokana io ihany no ahazoan’ny vahoaka ny fahatokisana ny fitsarana.
TT : Azo eritreretina ho tafiditra ao anatin’izay ihany koa ve ny momba ny ady amin’ny kolikoly ?
RR : Tena tafiditra ao anatin’io fomba fijery io tokoa ny ady amin’ny kolikoly izay noresahana manokana mihitsy satria heverina ho tena zava-dehibe. Iaraha-mahalala rahateo fa io kolikoly io no manamatroka ny sarin’ny fitsarana eo anatrehan’ny vahoaka sy ny mpitondra fanjakana.
TT : Ahoana ary no fomba tokony hiatrehan’ny mpitsara ity ady amin’ny kolikoly ity ?
RR : Marobe ireo hevitra nivoaka tamin’ny atrikasa. Voalohany amin’izany ny fananan’ny mpitsara fahasahiana manenjika ireo olona tratra na fantatra fa manao kolikoly. Ny lalàna efa misy ka ny fampiharana azy no mila atao hentitra sy tsy hizahana tavan’olona. Na iza na iza olona tratra amin’ny fanaovana kolikoly dia tokony enjehina tsy misy indrafo mihitsy. Hevitra faharoa nivoaka tao dia ny tokony hampahafantarana ny olona ny mikasika ny raharaham-pitsarana, izany hoe ao anatin’ny mangarahara. Hevitra fahatelo dia ny tsy tokony hikatonan’ny fitsarana Malagasy fa mila mijery sy mahafantatra ny zava-misy sy mitranga any ivelany. Misy amin’izy ireny mantsy no misy azo alain-tahaka.
TT : Amin’ny fomba ahoana no hanatanterahana ilay hoe mangarahara ?
RR : Mila halavirina tanteraka ny afinafina sy ny fikononkononana momba ny famoahana ny didy. Ilaina ny fanazavana tsara amin’ny besinimaro ohatra ny dikan’ilay didim-pitsarana.
TT : Manahirana ny sarambabem-bahoaka ity resaka fitsarana ity, anisan’izany ireo lalàna marobe amin’ny fiteny frantsay, inona no vahaolana momba azy io ?
RR : Nijery ny mikasika izay tokoa ireo mpiatrik’asa. Efa misy anefa lalàna sasantsasany voadika amin’ny fiteny Malagasy. Momba ny fahasahiranan’ny olona amin’ny resaka fitsarana indray dia tena ilaina ny fanovana toe-tsaina. Tokony hialan’ny Malagasy ny fisainana miahiahy sy anjakan’ny tahotra satria miteraka zavatra betsaka ny fananana sy fitahirizana ireo fomba fisainana ireo. Ny tanjona rahateo ankehitriny dia ny hanakaikezan’ny fitsarana ny vahoaka eo amin’ny lafiny rehetra. Misy fanamarihana tokony hatao ihany koa momba ny fihetsiky ny olom-pirenena manoloana ny fiakarana fitsarana ohatra.
TT : Misy fihetsika manokana tokony hananan’ireo mpiatrika ny raharaham-pitsarana hananana angaha moa ?
RR : Ny tsara apetraka dia tsy mety izany hoe olon-tsotra tonga dia manatona mpitsara izany satria midika avy hatrany ny fisiana kolikoly. Na ilay olona mitady zavatra na koa hanome zavatra an’ilay mpitsara. Ny fihetsika mifanaraka amin’ny lalàna dia manome alalana ny tsirairay hanatona ireo olona hafa ivelan’ny mpitsara ho fakana hevitra sy toromarika. Tsy ny eny amin’ny fitsarana ihany anefa no ahitana io trangan-javatra io fa manerana ireo biraom-panjakana rehetra. Ny tsikaritra mantsy dia tsy mety ny sain’ny olona raha tsy misaotra amin’ny alalan’ny fanomezana kely izay azo adika ho kolikoly amin’ny endrika hafa.
TT : Hafatra farany avy aminao hamaranana ny resaka ?
RR : Efa tena tafiditra ao amin’ny fomba amam-panao Malagasy ity manolotra zavatra na vola kely ity mba ho fahalalam-pomba. Tsy ho fongotra anefa ny kolikoly raha mbola mitoetra izay fahazaran-dratsy tia tolotolotra izay. Ilain’ny Malagasy rehetra ny manova io fomba fijery sy manova toe-tsaina io raha hiady amin’ny kolikoly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.