Azo lazaina ho mafampana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Misongadina amin’izany ny resaka fampihavanam-pirenena lazaina fa vahaolana hampitony sy hampilamina ny fiarahamonina Malagasy. Resy lahatra amin’ny fanatanterahana azy io ny Vondron’Antanimena tarihin’ny profesora Rakotomavo José. Niresaka taminy ny gazety Tia Tanindrazana.
Tia Tanindrazana (TT) : Mihevitra ny olom-pirenena fa tsy ho tontosa mihitsy ny fampihavanam-pirenena satria tsy misy finiavana sy fahavononana ny mpanao politika Malagasy, ny hevitrao ?
Rakotomavo José (RJ) : Matoa mandany fotoana na tonga hatrany amin’ny fandaniam-bola mihitsy aza ary miezaka ny hahatontosa ity raharaha goavana ity dia satria matoky fa ilain’ny firenena io fampihavanam-pirenena io. Lalana tsy maintsy izorana izy io raha te hametraka fitoniana eto amin’ny firenena isika izay fomba fanao manerantany. Ny fisehony teo anivon’ireo firenena samihafa fotsiny no tsy mitovy fa dingana tsy maintsy lalovana ny fametrahana ny filaminana satria tsy hisy zava-banona eo raha tsy mifanara-tsaina ny olom-pirenena. Fepetra iray goavana amin’ny fampandrosoana ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena ary ilaina ny fanamafisana ny firaisankinam-pirenena. Tena efa lalim-paka ny olana misy eto amin’ny firenena izay mipaka hatrany amin’ny fiainam-pianakaviana sy tokantrano Malagasy mihitsy ka tsy maintsy vahana ifotony. Aminay dia tsy mifarana eo amin’ny fampihavanam-pirenena ny asa fa mitohy hatrany amin’ny famahana ireo olana ifotony. Dingana voalohany ny fametrahana tontolo sosialy politika milamina fa eo ihany koa ny dingana fijerena ireo soatoavina tena Malagasy mety amin’ny fiarahamonina Malagasy izay tsy tokony halaintsika tahaka be fahatany.
TT : Inona moa no antom-pisian’ny Vondron’Antanimena ary inona no mampiavaka azy amin’ireo fikambanana hafa mivoy ny fampihavanam-pirenena ?
RJ : Ny fitiavan-tanindrazana no manosika amin’ny fandraisana andraikitra saingy matetika manadino ny mpanao politika fa fahefana nampindramin’ny vahoaka io eo am-pelatanan’izy ireo io. Ny tetikasam-piarahamonina naroso ny vahoaka no nahalany ireo olom-boafidy manomboka any amin’ny filohan’ny Repoblika ka hatrany amin’ny filoham-pokontany. Ny Lalàmpanorenana kosa ny mamaritra ny fomba fanatanterahana ny asa fifanarahana amin’ny vahoaka ary mamatotra ireo solontenam-bahoaka tsy hanaotao foana. Ny zava-misy anefa dia lasa ireo olom-boafidy indray no mametraka ny tenany ho tompony fa lasa tompony mangataka atiny ny vahoaka. Raha jerena izao ny toe-draharaha misy ankehitriny dia mahatsapa ny olom-pirenena fa tsy misy fiovana mihitsy ny fiainany manoloana ny fahasahiranana mianjady aminy tao anatin’ny enim-bolana. Rariny raha mijoro izy ireo tahaka ny zava-mitranga manerantany ka mivondrona maneho izay fahadisoam-panantenany amin’ny tsy fahombiazana ara-pitantanana hasehon’ny mpitondra izay. Tafiditra ao anatin’izany ny Vondron’Antanimena izay ahitana sokajin’olona maro samihafa manerana ny faritra izay tsy mankasitraka ireo fanitsakitsahana lalàna miaraka amin’ny fiarovan’ny mpitondra seza fotsiny. Vonona ny hanitsy sy hitarika any amin’ny fitadiavana ny tombontsoam-bahoaka ary izay indrindra no hisian’ny fihaonana amin’ny 04 sy 05 aogositra ho avy izao.
TT : Inona marina moa no votoatin’ilay fihaonana eny amin’ny Falda ary inona no tanjona tiana ahatongavana ?
RJ : Tsara ny mampahatsiahy fa efa nisy fivoriana in-droa miantoana tamin’ny volana jona sy jolay lasa teo teny Antanimena. Ny fihaonana voalohany dia niompana tamin’ny lohahevitra fampihavanam-pirenena izay nahitana ireo mpanao politika ary ny faharoa kosa dia ny mikasika ny fitantanana ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny nandraisan’ireo fikambanana sy fiarahamonim-pirenena anjara. Tamin’ireo fotoana ireo no niantsoana indray ny Fiombonan’ny Fiangonana eto Madagasikara hanohy ireo asa efa natombony hatrizay izay efa namaly ny fahavononany hitarika ilay fampihavanam-pirenena. Hoporofoina amin’io fotoana io ny maha ara-drariny ny fanatontosana ity fampihavanam-pirenena ity satria ho voasolotena eo ny ankamaroan’ireo ankolafin-kery misy eto amin’ny firenena izay mbola hamoaka ihany koa ny hevitr’izy ireo momba ireo lohahevitra roa goavana ireo.
TT : Efa mijoro ny Filankevitry ny Fampihavanam-pirenena Malagasy izay nomena andraikitra hisahana sy hitantana ny fanatanterahana izany, tsy mety aminareo ve io rafitra io ?
RJ : Tsy tokony hohadinointsika fa rafitra najoro tany Maputo ny filankevi-pirenena momba ny fampihavanana na «Conseil National de Réconciliation» saingy tsy natsangana ilay izy. Efa maro ny zavatra tapaka tamin’izany toy ny fanendrena ny profesora Zafy Albert hitarika azy io nefa tsy natao. Tonga avy eo ny tondrozotra ka ny mpitondra tetezamita no nanangana azy. Matoa anefa mbola mitaky ny fananganana ny rafitra fampihavanam-pirenena ny maro an’isa dia mahatsikaritra fa misy tsy mety ao. Tsy heno mihitsy izany FFM nandray andraikitra ka niezaka namaha ireo olana maro nitranga sy mbola mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny. Voaporofo amin’ny tranga miseho fa tsy afa-po amin’ny zava-misy ny olona. Vahaolana tsotra no takiana dia ny fametrahana ny tena rafitra mahavita sy mahatontosa ireo andraikitra napetraka taminy. Torak’izany ihany koa ny fanendrena ireo olona afaka hitantana feno ireo andraikitra ao anatin’ilay rafitra ka to teny eo anivon’ny fiarahamonina sy tena vonona hitondra ny vahaolana takian’ny mpiara-belona ho tombontsoan’ny firenena.
TT : Voizina ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo filoham-panjakana 5 mirahalahy miaraka amin’ireo hery velona rehetra misy eto amin’ny firenena, ilaina ve izy io ho an’ny Vondron’Antanimena tarihinao ?
RJ : Teny filamatry ny Vondron’Antanimena ny hoe «Tany misy olobe tsy miady zaza». Manana Raiamandreny isika Malagasy ary ireo filoham-pirenena teo aloha dia sokajiana ho to teny ary eken’ny olona maro eto amin’ny firenena na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa aza. Midika ho fananan’izy ireo fahefana afaka mampivondrona ny Malagasy izany. Manampy tosika ny traikefa goavan’izy ireo ny fijoron’ireo Raiamandreny am-panahy sy ara-drazana. Ny fifanomezan-tanan’ny rehetra rahateo no mampahomby ny fampihavanam-pirenena. Tokony hirehareha aza isika Malagasy manana azy ireo. Izahay manokana aloha dia resy lahatra fa mahavita azy ireo. Rehefa vonona moa izy ireo ka manaiky ny rehetra, tsy izay ve no tadiavina ? Andrasana amin’izy ireo ihany koa ny fanaraha-maso sy fampiharana izay tapaka sy eken’ny besinimaro.
TT : Inona no hafatra ho famintinana ny resadresaka ?
RJ : Tsy voaozona akory ny firenena Malagasy na misy miteny aza fa tsy tafavoaka intsony ny fiarahamonina Malagasy. Mifanerasera amin’ny sokajin’olona samihafa ny tenako ary resy lahatra fa mbola maro ny Malagasy vanona sy vonona handray andraikitra. Tokony hijoro noho izany ny tsirairay satria mbola betsaka ny fanantenana. Hendry sy manampahaizana ny Malagasy ka afaka mamita irery io resaka io fa tsy hiandry hoteriteren’ny vahiny foana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.