Actualités

Rakotomamonjy Jean Max Nokianin’Ambohitsorohitra


  • Talata 24 Jona 2014

Vaovao anisan’ny nampisahotaka ny besinimaro omaly ny fandrenesana avy amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Malagasy Rakotomamonjy Jean Max fa takian’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena ( FMI) ny fanenana ny sandan’ny Ariary.

 Fanambarana izay nataony tamin’ny radio RFI tany Frantsa ka notaterin’ny gazety Malagasy. Nilaza anefa ny Talen’ny kabinetran’ny filoham-pirenena Henry Rabary Njaka omaly fa “tsy manana fikasana momba izany velively ny fitondram-panjakana”. “Hevitry ny filohan’ny Antenimieram-pirenena samirery izany”, hoy izy. Raha nanontaniana koa ny teknisianina ao amin’ny FMI, George Tsibouris dia nilaza fa “tsy ao anatin’ny toromarika nomena ny fanjakana mihitsy izany”. “Ny lalan’ny tsena no tokony hamaritra ny sandambola”, hoy ity farany. Marihina fa ny “régime flottant” no miasa eto Madagasikara, izany hoe miankina amin’ny habetsaky ny fifanakalozana vola vahiny sy vola Malagasy no mampikatra na mampidina ny sandan’ny Ariary. Etsy an-daniny dia mbola nolavin’i Henry Rabary Njaka koa ny filazan’i Jean Max Rakotomamonjy fa hahatona avokoa ny fandraisana mpiasam-panjakana vaovao . Ity farany izay nilaza fa misy mpampianatra 10.000 horaisina aza.

 Hidangana 3.800 Ar ny “euro” ?

 

Mety hanamaloka ny fifandraisana eo amin’Ambohitsorohitra sy Tsimbazaza ity toe-javatra ity. Fanontaniana mipetraka manoloana izany dia hoe : henjehina ho manely vaovao tsy marina ary ve izany ny filohan’ny Antenimieram-pirenena ? Aza adinoina anefa fa filohana andrimpanjakana Rakotomamonjy Jean Max, mahalala ny zavatra laizain’ny vavany. Ao raha matoa nanao iny fanambarana iny ny tenany, ary amin’ny maha solombavam-bahoaka azy dia karazany fampiomanana mialoha ny sain’ny Malagasy amin’izay zavatra hitranga no nataony.

Ny lôjikan’ny zavatra nambarany dia hidangana hatrany amin’ny 3.800 Ar ny “euro”, raha 2490 Ar tamin’ny taona 2009 ary ny dolara kosa dia 1900 Ar raha ny tarehimarika teo anivon’ny Banky Foibe. Fa inona loatra no mahatonga ny mpamatsy vola hametraka izany fepetra izany, ny FMI, izay tarihin’ilay frantsay vavy Christine Lagarde. Fa nahoana no tsy nampiharina amin’ireo firenena tratran’ny kirizy tahakan’i Etazonia sy Grèce izany ohatra ? Nohon’ny krizy notadiavin’ny sasany dia ny Malagasy rehetra no mizaka ny vokany ankehitriny satria mba hanambatambazana ireo mpamatsy vola hiverina no mahatonga azy ireo. Tsy azo atao ve ny mieritreritra fidiram-bola hafa nohon’ny FMI tahakan’ny Sinoa sy ny Rosiana ohatra ? Hiakatra avo roa heny avokoa mantsy ny vidin’ireo entana tena ilaina andavan’andro satria hiakatra be ihany koa ny vidin’ny solika, ny vidin’ny serasera, ny vidin’ny vary sy ny mofo. Dia inona no hitranga, krizy sôsialy vaovao indray ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT