Actualités

Rakotomalala Julie 73 taona nanangonan-javatra, mbola mijoro hanandratra avo ny antsika Malagasy


  • Alakamisy 05 Jona 2014

73 taona mahery ny nanangonan-javatra i Rakotomalala Julie, mpitantana ny tranom-boky “Mini Génie Civil” eny Andranonahoatra Itaosy. Handray 83 taona izy ankehitriny saingy tsy mbola mahay mipetraka noho ny fitiavany manangona sy mizara ny fahaizana amam-pahalalana amin'ny manodidina azy amin'ny alalan'ireo boky an'arivony maro ananany.

 Raha araka ny resaka nifanaovany tamin'ny gazety Tia Tanindrazana dia fony mbola mpianatra izy no efa tia nanangona ka anisan'ireny ny hajia na “timbre”. An'arivony ny hajia ananany ankehitriny antony nahazoany loka roa lehibe tamin'ny firenena Japoney sy ny fikambanana “Philatelistes de Madagascar”. Tsy latsa-danja amin'ireny ny “porte-clé”, vola, afokasoka, ny tranon-tsakafo tonga dia vonona toy ny fromazy nandritra ny vanim-potoana nahazaza azy ka mandraka ankehitriny.

 

Mahafinaritra ny manangona ireo karazan-javatra ela nolalovana teo amin'ny fiainana

 

Ny mahavariana indrindra dia ny fisian'ireo karazana atodim-biby am-polony maro ao aminy, biby izay tsy hita afa-tsy eto amintsika irery ihany toy ny vorombe Aepyornis, ny Autruche... Hafatra hampitainy amintsika taranaka aty aoriana moa ny hoe : “mahafinaritra ny manangona ireo karazan-javatra ela nolalovana teo amin'ny fiainana no sady manandratra avo ny kolontsaintsika ihany koa”. Tsara ny mampahatsiahy fa efa 25 taona eo izao no nitantanan-dRakotomalala Julie ny tranom-bokiny ao Andranonahoatra Itaosy ka ankoatra ireo boky teknika rehetra dia anisan'ny mampiavaka azy ihany koa ny fananany boky momba ny fandrahoana sakafo ankoatra ny boky tsotra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

Hijery ny tohiny
FTT