Rajoharison Félix na Rainidina

"Tsy maintsy esorina


  • Alarobia 13 Mey 2026

ny gejan'ireo vahiny indrindra ny Karana"

Mitsingerina amin'ity andro ity ny faha-54 taonan'ny 13 May 1972, andro nanamarika ny tolom-bahoaka nanoherana ny fanjanahana amin'ny endriny vaovao, ary nampirodana ny Repoblika Voalohany notarihin'ny filoha Philibert Tsiranana. Isan'ireo tanora, mpianatra nitolona tamin'izany i Rajoharison Félix na Rainidina, filoha mpanorina ny antoko SOLIDE (Solaitra iombonana ho an'ny demokrasia eto Madagasikara) ankehitriny. "Heverinay fa mbola miankindoha amin'ny vahiny isika hatramin'izao. Mbola eo am-pelantanany ny toekarentsika amin'ny ankabobeny indrindra ny ara-bola", hoy izy. Koa "tsy maintsy esorina ny gejan'ireo vahiny indrindra ny Karana". Tsy mahatsiaro ho matiantoka na nanenina ve ireo nitolona tamin'ny 1972 raha 53 taona aty aoriana, mbola nihetsika ny tanora, mitaky fanovana ? "Marina ary isaorana ireo tanora nanao ny adidiny nanantontosa ny fanalàna ny fitondràna Rajoelina. Efa eo aminy fanorenana ifotony isika izao. Asa lehibe sy goavana io", hoy i Rainidina. Ho an'ny antoko SOLIDE, hoy ity farany dia "mametraka fa ny Faritany mizakatena (Etat unitaire à autonomie provinciale) no tokony hapetraka ary fifidianana lalampanorenana no atao". Hanatitra voninkazo etsy amin'ny Kianja 13 May ny Hetsika May 72 anio, ho fahatsirovana ireo namoy ny ainy tamin'iny tolom-bahoaka iny.
Jean D.

Rajoharison Félix na Rainidina, filoha mpanorina ny SOLIDE
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT