Fokontany 17 amin’ireo 34 ao anatin’ny boriborintany fahatelo no efa voatsidiky ny solombavambahoakan’i Madagasikara Rajaonson Maminiriana hatramin’ny nifaranan’ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena ny 04 jolay 2014
Mihaino ireo hetahetan’ny mponina ny tenany ary mampita izany any amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, indrindra ho an’ireo asa tsy afaka miandry. Mandinika sy miady hevitra momba ireo tolo-dalàna haroson’ny governemanta no andraikitra voalohan’ny depiote fa tsy mandany fotoana na miady tombontsoa eny Tsimbazaza izany, hoy izy. Samy tompon’andraikitra amin’ny asa sahaniny noho izany na ny fahefana mpanatanteraka na ny fahefana mpanao lalàna. Laharam-pahamehana ankehitriny ny fandinihana sy fankatoavana ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2014 miaraka amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana saingy tsy mbola tonga eny anivon’ny Antenimieram-pirenena izany ahafahana manatanteraka ny fivoriana tsy ara-potoana. Momba ny raharaha mafana mampifanolana ny mpitondra fanjakana sy ireo mpikirakira vaovao indray dia soso-keviny ny fandrafetana haingana ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety mba tsy hiverenan’ny toe-javatra mampalahelo toy ny iainana ankehitriny intsony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.