Actualités

Raissa Razaivola Notorian’ny mpitsara sy ny Lehiben’ny firaketan-draharaha


  • Zoma 18 Aogositra 2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

faniratsirana, famoahana zavatra tsy marina Rtoa Raissa Razaivola. Nambaran’ireo mpitory fa ireo rehetra nandray anjara tamin’ny dosie mikasika azy io, dia lazainy fa nandray vola taminy avokoa. “Misy an’ireny dosien’io Ramatoa io ho an’izay olona rehetra mandray sy andalovan’io dosie io dia lazainy fa ananany vola, ka noho izany rehetra izany dia nanao io fitoriana izahay. Taorian’ny faniratsirana nataony ny mpitsara iray sy ny tenako, dia nametraka fitoriana izahay, mahakasika fanalam-baraka, faniratsirana, filazana zavatra tsy marina. Nametraka fitoriana eny anivon’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly noho ny kolikoly sy fisolokiana satria isy ihany koa ny fisolokiana natao ny anaranay”, hoy ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny 04 may 2023 teo, nandritra ny didim-pitsarana nanamelohana azy higadra 7 volana, dia nisy ny ampamoaka nataony, ka nanononany ny anaran’ny Lehiben’ny fampanoavana, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ho naka vola 2,5 miliara taminy. Niakatra fitsarana omaly moa I Raissa Razaivola, saingy tsy nisy nipika ny fitsarana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, hentitra ny fisavana, hentitra ny fiambenana,… Nisy tetsy andaniny ny resaka nataon-dRtoa Fanirisoa Ernaivo Filohan’ny Sendikan’ny mpitsara teo aloha tao amin’ny tambajotran-tserasera afak’omaly, nilaza fa naiditra am-ponja vonjimaika na “MD” tamin’ny resaka faniratsirana satria namoaka fa nakana 80 tapitrisa Ar tamin’ny olon’ny fitsarana izay mpirahavavy ka notakiany saingy ny 25 tapitrisa Ar ihany no naverina,… Avo lenta ity raharaha mikasika an’I Raissa Razaivola sy ireo mpitory azy sy ny olona nolazainy fa nomeny vola sy nitaky vola aminy ity ka asa izay hiafarany?
Toky R
Sary fanehoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT