Nosamborina ny alin’ny
sabotsy 21 febroary 2026 teo teny Andraharo i Raissa Razaivola, rehefa nantsoina hiverina am-ponja kanefa tsy niverina mihitsy, araka ny vaovao azo ny faran’ny herinandro teo. Anisan'ireo gadra voalaza fa mbola tokony hamita ny saziny kanefa dia nivoaka izy, niaraka nivoaka tamin’ireo voalaza fa gadra politika. Manam-pahefana iza izany no namoaka an-dramatoa Raissa ? Inona no tambiny ? Tamina lanonana fitokanana lalana vita teny Atsimondrano ny 20 desambra 2025 moa no nahitana an'i Raissa Razaivola sy nahafantarana hoe hay ve ka tafavoaka ny fonja izy. Niteraka adihevitra kosa ny nilazan’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Atoa Gascar Fenosoa nandritra io lanonana io hoe : "Mijoro androany ny Fikambanana izay tarihin-dRtoa Raissa. Aoka izay ny fanaratsiana azy sy ny fanenjehana azy , fa raha nisy antony nanagadrana azy dia ny fijoroany amin’ny fahamarinana ! ». Nambaran’io mpikamban’ny governemanta io, fa mpandraharaha Malagasy nijozo sy niady ho amin’ny fahamarinana i Raissa Razaivola, fa tsy nety tamin’ny fitondrana volomboasary. « Amin'ny maha Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ary amin'ny maha mpitondra tenin'ny Governemanta no ilazako hoe aoka izay ny fanaratsiana sy ny fanenjehana an'i Raissa Razaivola, fa olona mijoro amin'ny fahamarinana izany Raissa izany », hoy Atoa Minisitra Gascar Fenosoa tamin’izany. Nilaza moa io Minisitra io ny 24 desambra rehefa nandeha ny resabe hoe : « Tsy misy olona ambonin’ny lalàna eto Madagasikara, na iza na iza. Ny lalàna irery ihany no ambony.Noho izany, rehefa meloka dia miantso ny fitsarana handray ny tandrify araka ny lalàna, raha tsy meloka dia ny fitsarana ihany koa no manao izany ». « Tsy anjarako mihitsy ny manamarina na manameloka olona iray, fa ny hafatro dia tsy misy olona ambonin’ny lalàna, raha olona meloka ka omen’ny lalàna didy ho any am-ponja dia tokony ho anya m-ponja ». Tsiahivina fa tao anatin’ny fitondrana Rajoelina i Raissa Razaivola no nogadraina, ka rehefa nilatsaka ny didy henjana 7 taona, dia nanonona olona ambony tao amin’ny Fitsarana ho nandray vola amina miliara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.