RAIM-PIANAKAVIANA

MATY TENY AMBAVAHADITOKANA


  • Zoma 05 Desambra 2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Raim-pianakaviana iray tsy mañana trano fonenana no fantatra fa maty tao ambadiky ny fiangonana FLM Ambodivoina Ambavahaditokana Atsimondrano omaly Alakamisy 04 Desambra hariva. Izy sy ny zanany vavy iray no miara-mipetraka hany ka very hevitra tanteraka ity farany. Tsy mba manana na iza na Iza hiantsapazana mantsy izy ary honjohonjony samy irery sisa ny miatrika ny fiainana. Na ny trano ho asiana ny vatana mangatsiakan-dRainy aza tsy misy nefa ny andro fahavaratra.Efa nisaraka tamin'ny vadiny ity Raim-pianakaviana ity ary efa manambady hafa ilay ramatoa.Raha ny fantatra dia mpivarotra mangidy taloha tao Tsararay Ambavahaditokana taloha Itompokolahy raha manary fako ihany koa no fidiram-bolany. I SOATATA no anarana nahafantaran'ny maro an'Itompokolahy fony fajavelony. Ndaty avy any Atsimo izy. Fantatra moa fa mañana zanaka roalahy miasa eny Ambalavao Isotry ihany Itompokolahy saingy tsy fantatra izay mombamomba azy ireo.
Pati
Légende : Na ny trano hasiana ity vatana mangatsiakan'Itompokolahy Soatata ity aza tsy misy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT