Actualités

Raim-pianakaviana marary any Afrika atsimo Sahiran-tsaina ny vady aman-janany eto Madagasikara


  • Talata 14 Aprily 2020

Renim-pianakaviana monina eny Ankadindravola Ivato eny i Vero. Efatra ny zanaka naterany, telolahy iray vavy.

 

 

 

Roa taona lasa izay niala teto Madagasikara ny vadiny hiasa amina orinasa iray mpanamboatra trano sy lalana any Maorisy sy Comores. Tamin’ny volana desambra taona 2019 teo izy no farany nandalo teto Madagasikara sy nahita ireo vady aman-janany. Fotoana fohy taorian’izay mantsy dia niantso an-dRtoa Vero vadiny ilay Rangahy fa marary azy mafy ny valahany ary mila tsy hahazaka azy intsony ny tapany ambany. Goty anefa no aretina mpitaiza ity Raim-pianakaviana ity hatramin’izay. Raha araka ny fitarainany tamin’io vadiny io ihany dia vokatry ny fitontontontoany tamin’ireny fiarabe mpanamboatra lalana ireny no niandohan’ny aretiny. Nohanihombo hatrany izany ka nisy fotoana mihitsy tsy maintsy nandeha nijery azy tany an-toerana ny vadiny. Nipoitra tampoka anefa ilay tsimok’aretina coronavirus, tsy maintsy nidina avokoa ny sisin-tany rehetra ka tsy maintsy niverina namonjy no fodiany sy ny zanany teto an-tanindrazana Rtoa Vero. Vao mainka niharatsy anefa ny fahasalamam-badiny taorian’izany niampy fahasemporana. Tsy maintsy nodidiana mantsy ny hazon-damosin’ity farany ary nalefa tany Afriika atsimo izy, toerana efa ahitana ilay tsimok’aretina coronavirus ihany koa. Ankehitriny tsy misakafo, tsy miteny, ary tsy nahatsiaro tena volana efa ho iray volana sy tapany ity Raim-pianakaviana ity. Fitaovana marobe samy hafa sisa no mipetaka amin’ny vatany izay tena lasa fahorian-tsaina ho an’ireo vady aman-janany tokoa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT