Raikely nanolana zana-bady

Voatazona vonjimaika eny Tsiafahy


  • Alakamisy 16 Mey 2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Teny Iavoloha, efa tamin’ny janoary 2024 no nitrangan’izany saingy tsy nisy nitoroka, hoy ny fanazavana. Araka ny fitantaran'ilay voaolana dia tonga an-tsokosoko tao amin'ny efitranony io raikeliny io tamin'izany ka nanoroka ny molony. Nanafosafo ny nonony ary nanatsofoka ny ratsan-tanany tany amin'ny fivaviany dia nihitatra hatrany. Nandaza tamin'ny reniny ihany izy saingy noezahin'ireo olon-dehibe nafenina izany tranga izany. Taorian'ny nanaovana fizahana ilay ankizy tany amin'ny toeram-pitsaboana dia nosokafana ny famotorana sy ny fanadihadiana izay nahafantarana fa ilay raikely no mpanolana. Voatazona vonjimaika eny Tsiafahy izy rehefa avy nentina teo anatrehan'ny fitsarana, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT