RAIKELY LEO RANOMASON-JAZA

Zazavavy kely vao 3 taona lasibatry ny vono sy daka


  • Alakamisy 06 Febroary 2025

Zazavavy kely iray vao 3 taona monja tany amin’ny faritra Sotema Ampasika Mahajanga

no niharan’ny herisetra nataon-dRaikeliny azy. Raha araka ny fantatra dia mitomany lava ilay zazavavy kely ka nahasorena ilay rangahy vadin-dReniny antony nandakadakany azy tsy niato. Nivonto vokatr’izany ny mason’ilay zaza. Efa matetika io lehilahy io no manao izany fihetsika izany raha ny loharanom-baovao azo ary amin’ireo mpiray vodirindrina aminy, antony nahatonga ireto farany nitory azy tany amin'ny polisy miaro ny zaza tsy ampy taona afak’omaly Talata 04 Febroary. Natolotra ny fampanoavana ilay rangahy taorian'ny famotorana natao azy ka fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika mba haka saina.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay Raim-pianakaviana namono ny zana-badiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT