Actualités

RAHOVIANA IHANY ?


  • Alarobia 06 Aogositra 2014

Tsy mbola ampiharina ve ny lalàna Fa misy mpangalatra arovana lava, D’ireo ‘zay mpanohana ny fitondrana Kanefa dahalo efa zatra mpandrava ?

Tsy mbola ampiharina ve ny lalàna

Kanefa ianareo efa matin-tsikera,

Satria raha ny hatreto dia tsisy voatàna

‘Reo ngeza voatonona ho mpanao afera ?



Tsy mbola ampiharina ve ny lalàna

Sa ho an’ny madinika ihany izy ireny ?

 Dia aza midehaka ety an-tanàna

Fa hery vaovao tsy mitàna ny teny.



Tsy mbola ampiharina ve ny lalàna

Satria ianareo toa tsy mety  ho ambaniny ?

Tsy aleo ve akatona ny fitsarana

Fa lasa manjary mifampila vaniny ?



Tsy mbola ampiharina ve ny lalàna

Fa  ny harenantsika efa atao  varo-boba ?

Mpitondra o ! Ry manana ny fahefana,

‘Nareo ve sakaizan-dahalo mpandroba ?

    SEDERA  RAVALISON

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT